e-LAMPS hoe?
Hotontosaina amin’ity herinandro ity, 7 – 12 Jona, ny dingana voalohany amin’ny tetikasa LAMPS izay nosalorana ny anarana hoe e-LAMPS. “Science, incontournable dans notre quotidien ” no lohahevitra vohizin’ity hetsika ity, ary fanentanana maro no raiketiny, samy afaka arahina ao amin’ny pejy Facebook Ikala STEM.
Alefa isan’andro ao amin’ny pejy Facebook ny fandaharana, koa aza tara.
Inona avy no ho hitanao amin’ity e-LAMPS ity ?
Ny e-Games izay ahitanao lalao in-telo isan’andro.
Ny e-Network izay hizaran’ireo mpiara-miasa mikasika ny taranja STEM ao Madagasikara.

Ny e-Story izay hizaran’ireo vehivavy siantifika malagasy amin’ny alalan’ny horonantsary fohy ny mombamomba azy ireo entina hanomezana aingam-panahy ireo zandry hilofo amin’ny fianarana fa indrindra hitia sy hankamamy ny taranja siantifika.
Ny e-Quiz izay natokana ho an’ireo mpianatra amin’ny Lycee, an-jatony izy ireo no nisoratra anarana.
Ny e-Learn ahitanao ny maha-zava dehibe ireo taranja siantifika vitsivitsy amin’ny fiainana andavanandro. Inona no ilana azy?
Ny E-Talk an-dasy hiarahana amin’ny vehivavy Malagasy amin’ny Sabotsy 12 Jona ho avy izao mitondra ny lohahevitra hoe “Siansa sy ny andavan'andro - fijery avy any Itasy”.
Fisaorana
Mankasitraka hatrany ny fiaraha-misalahy teo avy amin’ireo mpilatsaka an-tsitra-po sy ireo mpiara-miasa aminay rehetra tamin’ny fanomanana ity herinandro ity, ary koa ireo namatsy vola ny tetikasa dia ny CR4D sy ny OAD.