top of page

Ikala STEM Small Grants: Fiantsoana fisoratana anarana

Updated: Feb 24, 2022

Hitanao etsy ambany ny fanazavana fanampiny.


[Version Française | English version]



Ity taona ity Ikala STEM – sampana Amerika dia manolotra vatsy karazany roa ho an’ny mpianatra Malagasy amin’ny ambaratonga ambony eo anivon’ny STEM (Science, Technology, Engineering and Mathematics) ary eo andalam-pizotoana hiatrika ny hoaviny, mba ho entina hanohanana ny fianarany sy ny fivelarany manokana. Voafetra ho fangatahana iray isan-taona no azo alefan’ny mpilatsa-kofidiana iray. Ireo vinavinan-tetikasa ho entina hirotsahana dia tsy maintsy tanterahina mandritra ny Jona 2022 ka hatramin’ny May 2023. Ny mpirotsa-kofidiana voafantina dia manaiky ny hampiranty ny Ikala STEM rehefa manatontosa ireo tetikasa izay hisitrahany ny vatsy (Oh: Ny marika famantarana (logo) an’Ikala STEM dia tokony ho hita taratra amin’ny lahateny na peta-drindrina izay handraisan’ny mpifaninana voafidy anjara,…)


1. Fikarohana


Ity vatsy ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mpikaroka mandritry ny fidinanana ifotony izay ilainy tanterahina ho amin' ny fikarohana ataony: saram-pitanterana mankany amin’ny toeram-pikarohana, hividianana fampitaovana isan-karazany, karaman’ny mpitari-dalana eny an-toeram-pikarohana, saram-pidirana amin’ny valan-javaboary, saram-pahazoan-dàlana hanatanteraka fikarohana, saran’ny labaoratoara,sns…. Marihina fa tsya azo anefana ny saram-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo sy filàna manokana ity vatsy atolotra ity.


2. Famelabelaran-kevitra (memoire)


Ity sehatra ity indray dia natokana handoavana ireo fandaniana mifandraika amin’ny dingan’ny fandrafetana sy fanitsiana famelabelaran-kevitra, ho an’ny mari-pahaizana “maîtrise” sy “doctorat” (na ny mitovy lanja amin’ireo); ao anatin’izany ny fandikana, fanitsiana ary fanontana. Tsy azo anefana ny saram-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo sy filàna manokana ity vatsy atolotra ity.

Ny vatsy omena


Mpifaninana miisa 3-4 no ho kasaina ho ampiana amin’ity taona ity. Mitentina $1,800 ny fitambaran’ny vatsy ho zaraina amin’ireo karazana vatsy roa ireo. Ho vatsiana $1,600 ho an’ny fikarohana, ary mahatratra hatramin’ny $200 ny famelabelaran-kevitra. Marihina fa natao handrakotra ny ampahan’ny fandaniana rehetra ho an’ny tetikasan’ny mpifaninana ihany ny vatsy atolotra mba ho fanosehana azy amin’ny dingam-pihezahany; noho izany, ny mpandray anjara dia mila mampiseho porofon’ireo fanampiana hafa voavinavinany na efa voarainy.


Ireo afaka mandray anjara


● Tsy maintsy Malagasy monina ao Madagasikara. Ny dika mitovy ny kara-panondro na pasipaoro dia ho takiana eo am-pisafidianana izahay hahazo vatsy.

● Tsy maintsy mpianatra amin’ny ambaratonga ambony (MS, PhD, DVM, CAPEN, DESS) any amin’ny anjerimanontolo any Madagasikara na ireo vao nahazo marim-pahaizana ambony (latsaky ny 5 taona tao aorian’ny nahazoana izany) miasa amin’ny fanofanam-pikarohana ao Madagasikara.

● Ireo sehetra STEM (Science, Technology, Engineering and Mathematics) rehetra.

● Tsy maintsy mirohy amin’Ikala STEM amin’ny sehatra rehetra, mpikambana tsotra voasoratra anarana, mpikambana maharitra na “namana”n’ Ikala STEM nandritran’ny enim-bolana latsaka.

● Ny vatsy ho an’ny famelabelaran-kevitra: ireo mpianatra eo amin’ny erin-taona tsy ahazoany marim-pahaizana (ao anatin’izay ny M2) ary eo amin’ny dingan’ny fanoratana. Ny vatsy mantsy dia natao hanampiana amin’ny saram-panontana, fandikana ary fanintsiana ireo taratasy mifandraika amin’ny famelabelaran-kevitra ihany.


Ny dingan’ny fangatahana


● Alaivo ary fenoy ny taratasy fangatahana ato amin’ireto rohy ireto: Fangatahana vatsim-pikarohana ary Fangatahana vatsim-pamelabelaran-kevitra. Afaka fenoina amin’ny teny Anglisy, Frantsay na Malagasy ireo taratasy fangatahana ireo fa tsy ekena kosa ny teny mifangaro.

● Tehirizo ilay taratasy fangatahana ho “pdf”, ataovy “ANARANA_Fanampin’anarana.pdf” ny anaran’ilay rakitra (Ohatra: RAKOTONDRATSIMA_Asher.pdf).

● Alefaso mailaka amin’ny ikalabekintana@gmail.com miaraka amin’ny “Grant application 2022” ho antom-panoratana ilay taratasy fangatahana notehirizinao.

● Manàna olona iray afaka manohana ny fangatahanao (ohatra: ny tompon’andraikitry ny fikarohanao, ny mpanolotsaina anao mandritry ny PhD) Mandefasa taratasy fanohanana amin’ny ikalabekintana@gmail.com miaraka amin’ny “Anaranao Letter of support” ho antom-panoratana. Ny taratasy fanohanana dia tsy maintsy ialoavan’ny ivon-toeram-pikarohanao na ny sekoly ianaranao ary arahina sonia aradalan’ny tompon’andraikitra ihany koa.Afaka rafetina amin’ny teny Anglisy, Frantsay na Malagasy ny taratasy fanohanana.

● Raha tsy maharè valin-teny avy aty aminay ao anatin’ny tapa-bolana aorian’ny fangatahana ianao dia aza misalasala mifandray aminay amin’ny alalan’ny mailaka voalaza etsy ambony.


Fara-fangatahana


31 Martsa 2022. Ireo taratasy fangatahana sy taratasy fanohanana rehetra tsy an-kanavaka dia mila voaray miaraka hatramin’io daty voalaza etsy ambony io, tsy misy ny indrafo.


Fizotry ny fifantenana


Ny petra-kevitra tsirairay dia ho voaboasana sy ho alalin’ireo vondrona mpanapa-kevitra avy any ivelany,izay ahitana olona feno traikefa amin’ny taranjanao manokana sy avy amin’ireo sehatra STEM maro samihafa. Mitsinjara isakin’ny sehatra misy ny fandinihana ireo fangatahana, fa amin’ny ankapobeny dia ireto avy no tsy maintsy ho dinihana:

● Ny fahatsaran’ny tolo-kevitra

● Ny fahitsina sy fahazavan’ny tanjona kendren’ny mpangataka (eo ihany koa ny petra-kevitra sy ny vinavina ho entina ampiasaina amin’ny vatsim-pikarohana)

● Ny maha-mety ny fanatanterahana ny tolo-kevitra naroso

● Ny maha-sahaza ny tetibola, ny fisian’ny fanampiana ara-bola hafa

● Ny dingan’ny asan’ny mpangataka

● Raha misy akony na tsia amin’ny akademika sy/na fivoarana ara-profesionalin’ny mpangataka ny tolo-kevitra naroso

● Raha manana na afaka mahazo traikefa izay ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny mpangataka.


Fizotry ny fanomezana


Ho lazaina avokoa ny mpangataka tsirairay ny momban’ny vokatry ny fangatahany, farafahatarany ny 31 May 2022. Ho aloha mivantana amin’ireo voahosotra amin’ny mari-bola Malagasy (Ariary) ireo vatsy ao aorian’ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana ara-bola.

Ao anatin’ny telo volana nahavitan’ny tetik’asany ireo voafantina dia tsy maintsy mandefa ny tatitra ara-tekinika sy fandaniana ara-bolan’ireo vatsy miaraka amin’ny rosia mifanaraka amin’izany.


Raha toa ka tsy voahaja ireo fepetra nifanaovana sonia dia manana zo feno ny Ikala STEM angataka ny famerenan’ny voafantina ny vola rehetra noraisiny manontolo tamin’ireo vatsy ary dia tsy hahazo hilatsaka intsony amin’ny Ikala STEM Small Grants ho avy rehetra ny voafantina nandika ny fifanarahana.


Raha misy fanontaniana momba ny fizotr’ireo tolotra vatsy ireo ianao dia aza misalasala mandefa mailaka anay amin’ny ikalabekintana@gmail.com. Misy valina fanontaniana mahazatra izay hitanao amin’ity rohy [EN] ity.

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page