
Hitanao etsy ambany ireo fanontaniana amin'ny teny Malagasy.
Ikala STEM dia fikambanana iandraiketan'ny vehivavy siantifika Malagasy maromaro, tsy mitady tombony, manandratra ny fanabeazana sy ny lalam-piofanana Siansa st Teknolojia eto Madagasikara.
Ny olona rehetra mitovy tarigetra aminay dia afaka miditra ho mpikambana ao amin'ny Ikala STEM. Azonao jerena ato karazana sehatra hahafahanao miditra ho mpikambana.
Afaka miditra ho mpikambana avokoa na lahy na vavy rehefa mitovy tarigetra amin'ny WiseMada. Azonao jerena ato ny sehatra hahafahanao miditra ho mpikambana sy miara-miasa aminay.
Tsy ny Siantifika ihany no afaka mivoy ny fanabeazana. Afaka miditra ho mpikambana sy miara-miasa aminay araka izany ny olona rehetra, rehefa vonona hifampizara ny traikefany.
Tsy mifidy tany niaviana sy honenana ny Ikala STEM.
Aza misalasala manoratra aminay raha maniry hiditra ho mpikambana ianao, na miresaka amin’ny mpikambana fantatrao, mba hahafahanay mampifandray amin’ireo mpikambana any amin’ny firenena misy anao.
Amin’izao fotoana izao dia tsy manome vatsim-pianarana ny Ikala STEM. Miezaka kosa nefa izahay mizara ireo vatsim-pianarana na atrikasa mba ho fampahafantarana ireo tanora Malagasy.
Asa an-tsitra-po no atoan’ny Ikala STEM. Manome sehatra ho anao izahay araka izany hizaranao ny traikefa anananao. Mampitombo ny fifandraisanao sy ny fiaraha-miasa amin’ireo Siantifika Malagasy ihany koa izahay araka izany. Hitanao ao amin'ny News Room ny vaovao mikasika ny Ankaotra ny atrikasa karakarainay isan-taona (IAW), sy ny mentoring program izay sehatra hifanampiana sy hifampizarana traikefa amin'ireo tanora manaraka ny lalam-piofanana STEM.
Raha tsy voavaly eto amin'ity pejy ity ny fanontanianao, dia aza misalasala manoratra mivantana aminay, ato amin'ny mailaka ikalastem[at]gmail[dot]com .