top of page

Fanadihadiana - Kintana Magazine andiany faharoa


Anatin’ny fanomanana ny fivoahan’ny andiany faharoa amin’ny gazety Kintana na ny “Kintana Magazine” izay vokarin’ny fikambanana Ikala STEM izahay. Ny “Kintana Magazine” dia gazety mivoaka indray mandeha isan-taona ary mivoy lohahevitra amin’ny sehatry ny Siansa, Teknolojia, Injeniera ary ny Matematika (STEM) ary koa entina ampahafantarana ireo mpikaroka Malagasy sy ny asany ary ny zavatra iainany. Hitanao ao amin'ny tranonkalan’Ikala STEM sy ny pejiny amin’ny tambazotra Facebook ihany aloha hatreto ny Kintana magazine.

Ezahinay hatrany ny hanatsara ny "Kintana Magazine" ary indrindra ny hanome fahafaham-po ny mpamaky, koa faly manasa anao izahay tompon’andraikitra ny famokarana mba hamaly ity fanadihadiana kely ity izay maharitra eo amin’ny 10 minitra eo.

Ny valim-panontaniana omenao dia ankasitrahanay fatratra ary irinay raha ho azo alohan’ny zoma 13 desambra amin’ny 12 ora alina ora Madagasikara.

Misaotra indrindra tompoko !



  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page