top of page

Kintana Magazine N.1 - Aprily 2019

Updated: Apr 26, 2019

Izahay ato amin'ny fikambanana Ikala STEM dia faly manolotra anao ny


Kintana Magazine   N. 1 - Aprily 2019


Fa inona moa ny « Kintana Magazine » ?


Kintana Magazine dia tetik’asa novolavolain’ny mpikambana ao amin’ny Ikala STEM. Natao indrindra mba ahafahan’ny rehetra manovo fahalalàna amin’ny fomba tsotra, ary koa hampisongadina ireo lalam-piofanana azon’ny tanora arahina. Fanamby imasoan’ny Kintana Magazine ihany koa ny fampahafantarana ireo mpikaroka Malagasy, ny asa ataony sy ny tontolon’ny fikarohana ary ny zavatra iainan’ny mpikaroka amin’ny ankapobeny.

Inona avy no ho hita ao amin’ny laharana voalohany?


News

Filatsahana vato “météorite” teto Madagasikara

Dossier STEM Arovy ny varika fa fototry ny fahavelomana! Ny Géologie sy ny fiovaovan’ny toetr’andro Ny aretina Pesta sy ny tontolony: ny parasy, ny voalavo ary ny olombelona Getting ready for the Square Kilometre Array! L’initiative Barefoot College : Faire des femmes illettrées des « Ingénieurs solaires »


Invité Dr Lady Mireille Razafindranaivo, hiresaka ny « Laboratoire de Géomagnétisme et d’Électromagnétisme (LGE) »

Opinion

Ny anjara toeran’ny vehivavy malagasy eo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fikarohana Ny vehivavy sy ny Matematika

Maniry ny aheno ny hevitrao izahay!


Inona no lahatsoratra tena nahaliana anao? Misy fanamarihana, sosokevitra, adihevitra, na lohahevitra tianao hohadihadiana amin’ny laharana manaraka? Amin’ny laharana manaraka dia omena sehatra manokana ianareo mpamaky! Maniry ny handray anjara amin'ny laharana Kintana Magazine manaraka? Mifandraisa amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny alalan’ny mailaka: Ikalabekintana@gmail.com


Asaina manokana ianao mpamaky hifandray mivantana amin’ny mpanoratra ny lahatsoratra izay mahaliana anao ! Ho hitanao isaky ny lahatsoratra ny mikasika ny mpanoratra ary ny adiresy mailaka ahafahana mifandray aminy.


Alaivo ato ary ny Kintana Magazine.

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page