Our newsletters

[PDF versions]

kintanamagazine_logo_small.png

Kintana magazine

Arovy ny varika fa fototry ny fahavelomana!

Updated: Aug 15, 2019


Varijatsy ao amin’ny alan’ny Valan-javaboahary Ranomafana (sary nalain’i M. Rakotondrainibe)

Lahatsoratar nosoratan’i Dr. Onja H. Razafindratsima


Biby izay tena mampiavaka an’i Madagasikara ny varika (gidro), satria tsy misy afa-tsy aty amintsika ihany no ahitana azy raha ny valan-javaboahary natoraly no jerena . Eo amin’ny 100 mahery eo ny karazan’ny varika misy ankehitriny; saingy indrisy fa mahery ny 90% amin’izy ireo no efa atahorana ho lany tamingana.


Nandritra ny volana Oktobra 2018 teo dia betsaka ireo hetsika ho fankalazana ny varika, ary anisan’izany ny diabe ho an’ny varika (“Lemur Festival”) izay natao ny faran’ny volana Oktobra teo manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany. Nentina hampahafantarana sy handresen-dahatra ny olona ny tokony hiarovana ny varika ireny hetsika ireny.


Tokony ho sarotiny tokoa amin’ny fiarovana ny varika isika, raha tsy hitanisa fotsiny ny tombotsoa azo amin’ny firoborobon’ny fizahan-tany, ateraky ny fananantsika varika. Betsaka tokoa mantsy ireo mpizaha tany izay tonga manokana eto Madagasikara mba hitsidika ireo toerana misy ireo varika.

Tsy izay ihany anefa fa manampy betsaka ny fahavelomantsika olombelona ireo varika! Amin’ny fomba ahoana hoy ianao? Ny varika dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fisian’ny ala, izay loharanom-pahavelomana.


Sarobidy ny ala satria manadio ny rivotra ianinantsika


Ny ala izay honenan’ny varika dia mitàna anjara toerana lehibe amin’ny fifandanjan’ny zava-boary eto an-tany. Raha ny marina dia efa tsy zoviana amintsika intsony ny maha-sarobidy ny ala, raha tsy hitanisa fotsiny ohatra hoe: iankinan’ny fahaveloman’ny karazam-biby sy zava-maniry maro ny ala, mitahiry ny rano ary mitazona ny nofon-tany tsy ho kaohin’ny riaka. Manalefaka ny vokatry ny fiovaova’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fandiovana ny rivotra ihany koa ny ala.


Betsaka mantsy ireo zavatra ataontsika olombelona izay ilaintsika amin’ny fiainana andavan’andro, no miteraka enton’arina (CO2) mihoa-pampana: ny fandoroana tanety, ny fiompiana, ny fanodinana milina mandeha amin’ny solika, ny orinasa miteraka entona, ny fampiasana fiara sns. Manimba ny rivotra iainana anefa io entona io, ary tsy izany ihany fa anisan’ny antony mahatonga ny fiovaovan’ny toetr’ andro.


Ny fahafahan'ny ala mitahiry arina (carbone) dia tena zava-dehibe, indrindra amin’ny fandraisany anjara betsaka amin'ny fanadiovana ny rivotra ianantsika. Mitroka sy mitahiry ny enton’arina ny ala, sady kely ny entona avoakany raha oharina amin'ny afaka tahiriziny. Ny ala mando Malagasy dia anisan’ireo ala mitahiry enton’arina betsaka indrindra eto an-tany. Noho izany dia tena iankinan’ny fahavelomana ny ala.


Manana andraikitra lehibe amin’ny fandrafatena ny zava-maniry anaty ala ny varika.

Toy ny zava-manan’aina rehetra dia manana ny fiainany manokana ny ala amin’ny alalan’ireo hazo izay mandrafitra azy: mitsimoka, mitombo, miitatra ary mety maty. Ny ankamaroan’ny hazo dia miainga amin’ny alalan’ny fitsimohan’ny vihy na voa. Noho izany, mba ahafahan'ny ala hiitatra sy hitombo ara-dalàna, dia mila miparitaka ireo vihy sy voan'ny hazo isan-karazany mandrafitra azy. Raha toa mantsy ka milatsaka fotsiny eo am-pototry ny hazo namoazany ny vihy dia mety tsy ho velona ireo zana-kazo, izay afaka manolo ireo hazo efa antitra.


Manana andraikitra lehibe amin’ny fandrafatena ny zava-maniry anaty ala ny varika


Ny rivotra, ny orana ary koa ireo biby mpihinam-boa dia mandray anjara amin’ny fanapariahana ny vihy. Fa ny varika dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanaparitahana ireo vihy, noho ny fihinanan'izy ireo voankazo betsaka. Mitelina ireo voa ny varika, ary manaparitaka izany amin'ny toerana izay lalovany (Sary etsy ambony).


Ny fikarohana nataon’ny Dr. Onja H. Razafindratsima sy ny mpiara-miasa aminy tamin’ny ala tao Ranomafana dia mampiseho fa ny vihy aparitaky ny varika dia manana taha avo kokoa (mahatratra hatramin’ny 400%) ho lasa zanakazo raha oharina amin'ireo izay milatsaka fotsiny eo am-pototry ny hazo namokatra azy.

Mazàna ny hazo lehibe, izay mamoa vihy lehibe rahateo no miankina tanteraka amin'ny varika lehibe ny fanapariahana ny vihiny, satria ireo biby hafa dia tsy afaka mitelina izany. Ireo varika lehibe ireo indrindra anefa no tena ahiana mafy ho lany tamingana. Ka noho izany, dia miankina tanteraka amin’ny fisian’ireo varika lehibe ny fisian’ireo hazo lehibe, izay tsara tsindriana etoana fa afaka mitahiry arina betsaka lavitra raha oharina amin’ireo hazo madinika.


Ny fikarohana nataon’ny i Dr. Razafindratsima sy ny mpiara-miasa aminy ihany koa dia nampiseho fa mety mihena hatramin'ny 10% ny fahafahan'ny ala Malagasy mitahiry arina, raha toa ka tsy misy intsony ireo varika mpanaparitaka ny voa.


Ho fehiny ary, dia hita fa mifaningotra tanteraka ny ala sy ny varika: raha ripaka ny varika dia ripaka koa ny ala. Kanefa ny faharipahan’ny ala dia miantraika mivantana amin’ny fahaveloman’ny zava-manan’aina rehetra eto an-tany, isan’izany isika olombelona. Noho izany dia tokony ho saro-piaro amin’ny fiarovana ny varika isika, satria mamelona ny ala izy ireo, ary ny fahavelomantsika dia miankina amin’ny ala.


Mikasika ny mpanoratra




Dr. Onja H. Razafindratsima dia mpikaroka-mpampianatra ao amin'ny oniversite South Dakota State University, USA. Rehefa nahavita DEA tao amin'ny Oniversite an'Antananarivo izy, dia nanohy PhD amin'ny "Ecology and Evolutionary Biology" tao amin'ny Rice University any Houston, Texas (USA) ary nanao asa fikarohana tao amin'ny Harvard University any Cambridge, Massachusetts (USA).


Raha mila fanazavana fanampiny na maniry ny hifandray ami’ny mpanoratra ianao dia jereo ny rohy http://onjarazafindratsima.weebly.com/ na afaka mandefa mailaka amin’ny : onja@ricealumni.net .


Mikasika ny Kintana Magazine



Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratar amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambony

Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo Alaina eto.

Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana@gmail.com

  • Facebook Social Icon
  • Twitter Social Icon
  • Facebook Social Icon
Contact

 

​Telephone : ​+261 34 27 611 19

Email : ikalastem-at-gmail-dot-com