top of page

Mpikaroka-Mpampianatra: Inona ny atao amin’izany?

Updated: Jun 25, 2021


I Dr. Onja Razafindratsima no vahinintsika ao amin'ny Opinion ao amin'ny Kintana Magazine Ed. 3. Inona no ataon'izany Mpikaroka-Mpampianatra ? Izay no horesahiny amintsika ao anatin'izany.

Mpikaroka-mpampianatra ny tenako. Matetika ny fanontaniana apetraky ny olona voalohany rehefa maheno an’izay dia ny hoe “Inona ny taranja ampianarinao?”. Misy koa ny mihevitra fa tsy miasa ny mpikaroka-mpampianatra rehefa tonga ny fotoana fialan-tsasatra lehibe satria tsy mianatra ny mpianatra. Maro koa no gaga rehefa maheno fa taranja iray eo amin’ny adiny telo isan-kerinandro no ampianarina mandritra ny “semestre” iray, na koa tsy mampianatra mihitsy mandritra ny taona iray manontolo. Vokany, maro no mihevitra fa manana fotoana betsaka ipetrapetrahana ny mpikaroka-mpampianatra ka mandray karama tsy miasa akory. Diso tanteraka anefa izay satria toa adinon’izy ireo ilay teny hoe “mpikaroka” amin’ilay asa fa ilay “mpampianatra” no tena mibahana ao an-tsainy.


Fa inona tokoa moa ny asan’izany mpikaroka-mpampianatra izany?

Mba entiko hamaliana izay fanontaniana izay dia dia hizara sy hanazava ny andraikitra sahaniko aho . Ankoatra ny maha-mpampianatra ahy dia mpikaroka ihany koa aho. Sahabo ho eo amin'ny 25 isanjaton'ny fotoanako no ampiasaiko amin’ny asa fampianarana, rehefa amin’ny “semestre” hampianarako; fa ny ambiny kosa dia miompana tanteraka amin'ny asa mifandraika amin’ny fikarohana. Misalotra satroka maro aho amin'ny fanatanterahana ireo andraikitra sahaniko.


Manao fikarohana siantifika

Dr. Onja Razafindratsima manao andrana siantifika tao anaty alan'i Ranomafana.
Dr. Onja Razafindratsima manao andrana siantifika tao anaty alan'i Ranomafana.

Mamolavola sy manataneraka tetikasam-pikarohana no tena mibahana amin’ny asa ataoko. Mila fotoana maharitra ny fananganana sy fanatanterahana tetikasa iray, ary ireto avy ny dingana arahiko amin'izany amin’ny ankapobeny:

• Mandinika ny tontolo manodidina ary miezaka mametraka fanontaniana amin’izay zavatra hita sy tsapa;

• Mandinika ny petra-kevitra (“hypothèses”) mety ahafahana mamaly iny fanontaniana iny;

• Mamaky lahatsoratra siantifika maro ahitana ny fikarohana efa vitan’ireo mpahay siansa hafa teo aloha;

• Mamolavola ny ho fizotry ny fanandramana (“expérience”) izay tokony hatao sy ny fomba hanangonana ny singa rehetra ilaina hamaliana ilay fanontaniana napetraka;

• Mandeha any anaty ala manangona ireo singa ireo;

• Manatanteraka ilay fanandramana siantifika, na any anaty ala izany na ao amin’ny labôratoara;

• Mamakafaka ny tahirin-kevitra voaangona amin’ny alalan’ny statistika.


Misahana tetikasam-pikarohana maromaro aho matetika ao anatin’ny taona iray. Ny sasany amin’izy ireo dia ilàna fijanonana fotoana maharitra any anaty ala, ka izany no ataoko rehefa tonga ny fotoam-pialantsasatra lehibe. Misy ihany koa anefa no atao mandava-taona, tsy mifidy fotoana manokana, ka ny fahaizana mandamina ny fotoana isan’andro no ahafahako mamita azy rehetra. Eo ihany koa ny tetikasa izay tsy ilàna ny tenako mandeha ifotony fa manome torohevitra sy manara-maso ny ekipa ifotony no ataoko.


Mitantana ivon-toerana fikarohana (labôratoara)

Anisan’ny asa iandraiketako ihany koa ny manangana sy mitantana ivon-toerana manao fikarohana momba ny firafitry ny harena voajanahary sy ny fifandraisan’ny zava-manan’aina iray amin’ny zava-manan’aina hafa amin’ny faritra tropikaly. Misy olona maromaro miara-miasa amiko amin’izany, toy ny mpianatra-mpikaroka manomana “Master” sy “doctorat”, olona efa nahavita “doctorat” (“postdoc”) ary teknisianina. Amin’ny maha-mpitantana ahy dia mampiofana, manoro hevitra, mitari-dalana ary manara-maso ny asa ataon'izy ireo aho. Izaho ihany koa no mifantina azy ireo amin’ny alalan’ny fandalinana ny antotan-taratasy momba azy sy fanaovana fanadihadiana arak’asa ("entretien"). Manao tetikasam-pikarohana samihafa ny tsirairairy amin’ireo mpianatra sy “postdoc” ireo, ka mila mahay ny zavatra ataon’ny tsirairay aho no sady manampy azy ireo amin’ny fananganana sy fanatanterahana ilay tetikasa izay ataony.


Mpianatra Malagasy manao fampiharana ny zavatra nianarany nandritra ny atrikasa nokarakarain'i Dr. Razafindratsima.

Mitady vola hampandeha ny fikarohana

Mandany vola ny fikarohana. Lafo ny fitaovana ampiasaina sy ny kojakoja madinidinika ilaina. Mila omena karama ihany koa ireo olona rehetra miasa amin’ilay tetikasa, anisan’izany ny mpianatra, “postdoc”, teknisianina, ary ny “guides locales”. Anisan’ny fandaniana tsy maintsy atrehina ihany koa rehefa mandeha “terrain” ny sakafon’ny ekipa, ny karaman’ny mpibata entana sy ny mpahandro sakafo, ny hofan’ny fiara sy vidina solika, sns. Tsy vita ilay fikarohana novolavolaina raha tsy misy ny vola. Mila vola ihany koa ny fizarana ny voka-pikarohana (toy ny “publication scientifique” sy ny fandehanana zaikabe sy seminera). Noho izany, mitana anjara toerana lehibe amin’ny asako ny fitadiavana famatsiam-bola. Betsaka ary isan-karazany ireo mpamatsy vola andefasako fangatahana ao anatin’ny taona iray. Samy manana ny rafitra takiany sy ny fototra ijoroany izy ireo; ka kendrena mba hifanaraka amin’izay ny fandaharan’asa sy antontan-taratasy omanina. Eo koa ny fanomanana ny tatitra teknika sy ara-bola rehetra, rehefa vita ny fikarohana.


Manomana “publication scientifique”

Zava-dehibe ho an’ny mpahay siansa matetika ny fizarana amin’izao tontolo izao ny vokatry ny fikarohana nataony, ary ny voka-pikarohana matetika no anisan’ny entina hitsarana ny zava-bitany. Amin’ny alalan’ny famoahana “publication scientifique” na lahatsoratra siantifika no entina anaovana izany fizarana izany. Tsy toy ny “publication” amin’ny tambazotra sosialy ny “publication scientifique”, fa lahatsoratra lava sy voarafitra, mirakitra ny maha-zava-dehibe ilay fikarohana, ny petra-kevitra nodinihina, ny fomba nanatanterahana ilay fikarohana, ny vokatra azo ary ny ilàna izany vokatra izany. Mety haharitra amam-bolana ny fanomanana io lahatsoratra io, ary rehefa vita ny fanoratana, dia mbola mandalo ny fitsarana ataon’ny mpahay siansa maromaro, izay vao mivoaka ho hitan’ny besinimaro.


Mizara voka-pikarohana sy fahalalana amin’ny besinimaro

Mizara voka-pikarohana amin’ny sehatra maro isan-karazany ihany koa aho. Ohatra azo tanisaina amin’izany sehatra izany ny zaikabe siantifika manerana izao tontolo izao, ny seminera, ny “podcast”, ary tontonana fifanakalozan-kevitra isan-karazany (“panel de discussion”). Mila fotoana ihany koa ny fanomanana sy ny fanatontosana azy ireny. Ho fanampin’izany, mikarakara sy manatanteraka atrikasa maro isan-karazany aho, ho an’ny mpianatra amin’ny ambaratonga ambony sy ho an’ny olona izay misehatra amin’ny “Ecologie” sy ny fitandrovana ny harena voajanahary izay mety mila fahaiza-manao vaovao. Tia mizara voka-pikarohana sy fahalalana siantifika aho. Izay no anisan’ny nahatonga ahy hisafidy ny hampianatra na dia maro samihafa sy azo isafidinana ary ireo asa siantifika hafa mila ireo traikefa sy fahaiza-manao ananako ireo.



Manao asa fanampiana an-tsitrapo maro isan-karazany

Anisan’ny andraikitra raisiko ihany koa ny manao asa fanompoana hanampiana ireo mpahay siansa hafa sy ny olona izay mety ho liana ny hiditra amin’io sehatra siantifika io. Anisan’izany ohatra ny maha “Editeur” ahy amin’ny “journal scientifique” roa; ka mamaky sy mitsara ny lahatsoratra siantifika alohan’ny hamoahana azy ireny no andraikitra sahaniko. Ao koa ny fandraisako anjara amin’ny fitsarana ireny fangatahana famatsiam-bola hanaovana fikarohana amin’ny ivon-toerana mpamatsy vola ireny.


Misy fotoana ihany koa aho no voaantso ho “expert scientifique” eny amin’ny ivon-toerana iraisam-pirenena, mandray anjara mandrafitra paikady ho an’ny mpitondra firenena mikasika ny fitandrovana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana lovainjafy.

Ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao voalaza etsy ambony, sy ny fandraisako anjara amin’ny famoronanana sy fanatanterahana tetikasa eo anivon’ny fikambanana Ikala STEM dia asa atao entina hanampiana ireo tanora liana amin’ny sehatra siantifika. Matetika ihany koa aho no manoro hevitra ny mpiara-belona amin'ny drafi-pikarohana sy antontan-taratasy omanin’izy ireo amin’ny fitadiavana asa sy famatsiam-bola.

Farany, eo anivon’ny oniversite misy ahy ihany koa dia misy maromaro ireo andraikitra miendrika fanampiana mila sahaniko.


Mampitombo fahalalana

Tsy mijanona hatreo amin’ny nahazoana ny mari-pahaizana “doctorat” ny fanovozana fahalalana satria misy zava-baovao ianarana hatrany. Anisan’ny zavatra ataoko matetika ary ny mamaky lahatsoratra siantifika, mandray anjara amin’ny atrikasa isan-karazany ary manandrana fitaovana vaovao mba hampitombo ny fahalalako sy ahafahako mampivelatra ny maha-mpikaroka sy mpampianatra ahy.


Eto am-pamaranana dia tiako ny manindry fa mety ho hafa noho ny zavatra diaviko ny an’ireo mpikaroka-mpampianatra hafa, satria na dia ao amin’ny oniveriste iray aza dia mety ho samihafa ny rafitra mifehy ny mpikaroka sy ny mpampianatra tsirairay. Ireo voalazako ireo amin’ny ankapobeny ny asa ataon’ny mpikaroka-mpampianatra amin’ny ambaratonga antsoina hoe “tenure-track Assistant Professor” eto Etazonia. Azontsika resahina amin’ny manaraka indray ireo ambaratonga misy amin’ny maha mpikaroka-mpampianatra, ary koa ireo asa hafa azo sahanina rehefa misehatra amin’ny siansa.


Tsara ho marihina eto ny maha samihafa ny “mpampianatra-mpikaroka” sy ny “mpikaroka-mpampianatra”. Ny “mpampianatra-mpikaroka”, dia ny asa fampianarana no mibahana kokoa amin’ny asany noho ny asa fikarohana. Misy ihany koa aza ireo mampianatra amin’ny ambaratonga ambony izay tsy misahana afa-tsy asa fampianarana irery ihany.


Ianao koa

Ho anao izay mety ho liana amin’ny asa mpikaroka-mpampianatra dia mino sy manantena aho fa ahafahanao mahita ireo zavatra tokony ho hay sy ny mety ho ataonao ity lahatsoratra ity. Sanatria akory ny hoe atao filan-tsy mahita ny asa maha mpikaroka-mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony, fa safidy ary mila finiavana sy fitiavana (“passion”) be mihitsy, indrindra eo amin'ny lafiny fikarohana.


Momba ny mpanoratra

I Dr. Onja Razafindratsima dia mpahay siansa miasa amin’ny sehatra “Ecologie”, izay sampana iray ao amin’ny haiaina mandinika ny fifandraisan’ny zava-manan’aina isan-karazany sy ny tontolo manodidina azy ireo. Nanaraka lalam-piofanana “Biologie, Ecologie et Conservation Animale” tao amin’ny Oniversite an’Antananarivo izy; ary rehefa nahavita DEA dia nanohy ny lalam-piofanana doctorat amin’ny sehetra "Ecologie et Biologie de l’Evolution" tao amin’ny Oniversite Rice tany Texas. Voafidy ho Hrdy Fellow tao amin’ny Oniversite Harvard izy taorian’izay. Nanantanteraka asa fikarohana tsy miankina sy nanovo traikefa amin’ny fampianarana amin’ny ambaratonga ambony ny nataony tamin'izany. Nanitatra traikefa amin’ny fikarohana sy fampianarana tamin’ny oniveriste roa samihafa teto Etazonia ihany koa izy taorian’izay. Ankehitriny izy dia mpikaroka-mpampianatra ao amin’ny Oniversite an’i California, Berkeley eto Etazonia.


Momba ny Kintana Magazine

Hitanao ato ny lahatsoratra hafa ao amin'ny Kintana Magazine.

Aza misalasala manoratra amin'ny ikalabekintana@gmail.com hahafantaranao bebe kokoa mikasika ny Kintana Magazine. Araho kosa ity rohy ity raha manir hanoratra lahatsoratra ianao https://bit.ly/3rquwE4



Comments


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page