top of page

Filatsahana vato “meteorite” teto Madagasikara


Sary fanehoana: Silak’ilay meteorite nilatsaka tao Benenitra ny 27 Jolay 2018 (www.space.com )
Sary fanehoana: Silak’ilay meteorite nilatsaka tao Benenitra ny 27 Jolay 2018 (www.space.com )

Ny harivan’ny 27 Jolay 2018 dia gaga sy talanjona ny mponina tao Benenitra (faritra Atsimo Andrefana, faritanin’ny Toliara) noho ny trangan-javatra tsy mahazatra : “Afo nilatsaka avy any an-danitra”, hoy ny nanatri-maso ! Nirefotra mafy ny filatsahany ary nihovitra ny tany !


Nanomboka teo ary ny fanadihadiana nataon'ny manampahaizana avy ao amin’ny oniversite an’ny Wits (Johanesburg, Afrika Atsimo) sy ny Oniversite an’Antananarivo, nitady ny toerana nilatsahan’ilay “zavatra” avy any an-danitra ; nanampy azy ireo tamin’izany ireo olona nanatri-maso teo an-tanàna. Nangonina ireo poti-bato ary nanaovana fanadihadiana hanamarinana ny fiaviany. Ny fijerena akaiky ny akora mandrafitra ilay vato dia nanamarina fa miavaka amin’ny vato hita eto an-tany izy io, noho ny endriny ary ny singa manokana mandrafitra azy sasany. Nohamafisin’ny mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite an’Antananarivo, avy amin’ny alalan’ny teknika mandrefy ny atao hoe “infrason”, ny fisian’ny fipoahana miavaka tany amin’ny habakabaka ambonin’ny Madagasikara tamin’io andro io.


Fantatra sy voamarina tamin’izany ary fa “meteorite” ilay nilatsaka tao Benenitra, ary nomen’ny manampahaizana anarana hoe “Benenitra” ilay vato, sahala amin’ilay tanàna nilatsahany. Tsara ho marihina fa ny hoe “meteorite” dia teny enti-milaza ireo singa miendrika vato izay avy any amin’ny habaka, ary afaka mamakivaky ny soson-drivotra manodidina ny Tany.


Ny filatsahana meteorite toy izao dia mitondra zava-baovao ho an’ny fikarohana ataon’ny manampahaizana mikasika ny Astronomia. Ny fikarohana natao tamin’io vato meteorite “Benenitra” io dia nampiseho fa niforona efa ho 4.56 lavitrisa taona izy, izany hoe tamin’ny fotoana manakaiky ny niforonan’ny masoandro sy ireo planeta manodidina azy. Ny valim-pikarohana sy fanadihadiana toy izany dia ahafahana mamantatra bebe kokoa ny tantara sy ny fiforonan’izao tontolo izao.


Araky ny tombana ataon’ny manampahaizana dia mahatratra hatramin'ny 10.000 kilao isan’andro ny lanjan’ireo singa avy any amin’ny habaka milatsaka eto an-tany. Mazàna anefa dia miendrika vovoka izy ireo ary tsy hita maso, ary indraindray kosa anefa dia miendrika vato lehibe kokoa, toy ilay nilatsaka tao Benenitra. Ny meteorite nilatsaka tao Namibia (Afrika) tamin’ny taona 1920, izay nomena ny anarana hoe “Hoba” no meteorite goavana indrindra voatahiry nilatsaka teto an-tany hatramin’izao. Mirefy 10 kilaometatra ny savaivony ary milanja tsy latsaky ny 66 taonina.


Tsy dia nisy akony firy teo amin’ny serasera Malagasy moa ity filatsahana meteorite tao Benenitra ity, angamba noho izy nitranga tany amin’ny tontolo ambanivohitra. Soa ihany moa fa tsy nisy ny zavatra simba na aina nafoy.


Nandray anjara lehibe tamin’ny fanadihadiana natao mikasika iny filatsahana meteorite tao Benenitra iny ny mpikaroka Malagasy, toa an’Andriamatoa Ramanantsoa Andry Harifidy sy ny mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny Institut et Observatoire de Géophysique d'Antananarivo (IOGA), izay nanao ny fikarohana mikasika ny “infrason”.


Raha mahaliana anao ary ny resaka meteorite amin’ny ankapobeny, dia azonao jerena ireo tranokala nakana hevitra:


Nanangona hevitra sy nanortara ny lahatsoratra: Dr. Adelaide Miarinjara



Mikasika ny Kintana Magazine

Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratara amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambony.


Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo alaina eto.


Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana @gmail.com.

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page