top of page

Kintana Magazine 1 : Teny Fanolorana (Editorial)



Ny foto-kevi-dehibe namoronana ny Kintana Magazine, izay gazety novolavolain’ny mpikambana Ikala STEM any USA, dia mifantoka amin’ny fampahalalàna ny STEM amin’ny sarambabem-bahoaka. Ny STEM, na Siansa, Teknolojia, Enjeniera, Matematika, dia manana lalam-piofanana isan-karazany ary manokatra lalana maro eo amin’ny sehatry ny asa ho an’ny tanora. Tsapa anefa fa mbola vitsy ny manaraka ny fiofanana amin’io sehatra STEM io eto Madagasikara. Antony mety mahatonga ny tsy faharisihana ny tsy fahafantaran’ny olona ireo lalam-piofanana misy, ny asa azo atao, ny voka-pikarohana, ary indrindra ireo mpikaroka Malagasy eo amin’io sehatra io.


Misandrahaka tokoa ireo sehatr’asa voasahan’ny lalam-piofanana STEM, kanefa vitsy mpahafantatra. Maherin’ny 400 ny karazan’asa mety hidiran’ny olona nanaraka ny lalam-piofanana STEM, ary mivelatra amin’ny sehatra maro izany, raha tsy hitanisa fotsiny ny Fahasalamana, ny Fitantanana, ny Fanorenana, ny Famokarana fanafody, ny Astronomia, ny Famokarana sns.


Raha dinihina ny fiaraha-monina Malagasy amin’izao fotoana izao dia tsy mbola hita taratra firy ny kolotsaina mifandraika amin’ny STEM; kanefa dia tena ilaina izany fahalalàna izany satria anisany mahatonga ny vahoaka ho liam-pandrosoana sy ho tompon’andraikitra manoloana ireo olana sy fanamby atrehin’izao tontolo izao. Ny fizaràna fahalalana ihany koa dia manampy amin’ny fampihenàna ny elanelana manasaraka ny mpikaroka sy ny vahoaka.


Mizara efatra ny fomba fizaràna ireo fahalalàna ireo ato anatin’ny Kintana Magazine: News, Dossier STEM, Opinion, ary Invité. Ny “News” dia entina anazavàna amin’ny fomba ara-tsiantifika ireo trangan-javatra malaza nanamarika ny fiainana an-davanandro.

Ny “Dossier STEM” dia natao hampahafantarana ireo asa sy fikarohana mifanaraka amin’ny sehatra iandraiketan’ireo mpikaroka Malagasy, ary manazava ny maha-zava-dehibe ireo voka-pikarohana ireo.


Ny “Invité” dia natao hampisongadinana ireo fikarohana ataon’ny mpikaroka Malagasy. Inoana ihany koa fa hanome aingam-panahy ireo tanora Malagasy andalam-mpitadiavana lalam-piofanana sy asa hatao rahatrizay.


Ny “Opinion” dia entina maneho hevitra mikasika ny foto-kevitra rehetra manodidina ny tontolo STEM, ary koa fizaràna hevitra manokana, izay mety hitantaràna ireo sedra sy olana atrehin’ireo mpikaroka Malagasy. Tsy mora tokoa izany hoe mpikaroka Malagasy izany, indrindra indrindra noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, kanefa dia mandray anjara amin’ny sehatry ny fampandrosoana an’i Madagasikara izy ireo, ary mahavita asa tsy mena-mitaha amin’ny vitan’ny mpikaroka avy amin’ny firenena mandroso. Anisan’ny olana sedrain’ny mpikaroka Malagasy ihany koa ny tsy fahazoan’ny mpiara-belona aminy ny tena antom-pisiany, ary ireo tsindry isan-karazany atrehin’izy ireo, indrindra ny vehivavy mpikaroka.


Nomena anarana hoe “Kintana” ity gazety boky ity, noho ireo hevitra fonosin’ny hoe “kintana fitarik’andro”. Ny hoe kintana koa dia iantsoana ireo olo-malaza (“Star”), olona mahavita zavatra miavaka ary tsara alaina tahaka. Ny faniriana te ho “Kintana” sy ny fanatanterahana nofinofy dia miainga amin’ny lalam-piofanana izay ho fidina, hamolavolana hoavy mamiratra.


Izany fanamby rehetra izany no antony namoronana ny Kintana Magazine, mba ahafahan’ny rehetra manovo fahalalàna amin’ny fomba tsotra, ary koa hampisongadina ireo lalam-piofanana azon’ny tanora arahina. Noho izany dia natao ho an’ny rehetra ny Kintana Magazine: mpianatra, mpanabe, mpikaroka, ray aman-dreny…, sy izay rehetra liam-pivoarana. Ampiasaina ato amin’ny Kintana Magazine ireo teny telo tena fampiasantsika eto Madagasikara (Malagasy, Frantsay ary Anglisy). Tsy mora tokoa ny manazava ny fahalalàna ara-tsiantifika amin’ny fomba tokony ahazoan’ny maro an’isa azy, ary indrindra moa vao maika sarotra raha atao amin’ny teny Malagasy! Noho izany dia isaorana manokana ireo namana mpikaroka nandray anjara tamin’ny famolavolana ny Kintana Magazine ary nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fiezahan’izy ireo mizara fahalalana ho an’ny rehetra.


Le mot des éditeurs

L’idée générale qui a motivé la conception de Kintana magazine est la “Vulgarization Scientifique”. C’est un des outils de communication utilisés pour la transmission des connaissances sophistiquées à des publics variés. Dans le contexte actuel, la société Malagasy a une culture générale qui laisse assez peu de place à la Science. Pourtant, une culture générale riche et variée est nécessaire pour une population instruite et concernée par les problèmes et les enjeux de la société (Dossier STEM). La vulgarisation scientifique a pour mission de diffuser les savoirs et de communiquer les sciences. Il y a également la volonté de réduire la distance qui sépare les scientifiques du grand public.


Kintana Magazine veut faire connaître les scientifiques Malagasy à travers leurs travaux, qui ont un impact sur la vie quotidienne (News). Évidemment, être scientifique et Malagasy est parfois difficile. Surmonter les stéréotypes liés à leurs conditions est aussi un défi permanent relevé par les femmes de science Malagasy (Opinion).


Mettre en avant les travaux des chercheurs Malagasy, à travers Kintana Magazine, permet aussi de motiver les jeunes en quête de carrière, à choisir cette voie (Invité). Les carrières en STEM (Science, Technology, Engineering, Mathematics) sont très vastes mais méconnues du grand public. Les diplômés du STEM peuvent travailler dans divers domaines tels que : les Sciences de la Vie, la Comptabilité, la Gestion, le Génie Civile, la Psychologie, la Statistique, la Programmation, la Médecine, la Pharmacologie, l’Astronomie, l’Ingénierie Électrique, l’Agronomie... Au moins 400 emplois ont été listés étant relatifs aux disciplines STEM.


Le magazine a été baptisé « Kintana » qui est le mot Malagasy pour une étoile, pour les images positives inspirées par ce symbole. Être une Étoile, c’est aussi être une « Star », une célébrité, un idéal de vie, un (rôle) modèle auquel chacun peut s’identifier. Vouloir être une « étoile », c’est s’autoriser des rêves. Des rêves de réussite dans la vie, qui passent par un choix de carrière.


Kintana Magazine a été conçu pour répondre à ces enjeux, en offrant au public un journal éducatif, tout en étant ludique et facile d’accès pour la compréhension de la science au sens large. Le magazine a pour ambition de montrer une vision plus large des carrières possibles en STEM. Il s’adresse alors à un large public : étudiants, chercheurs, éducateurs, parents, … et à tous ceux à l’esprit ouvert, pour découvrir et partager la science. Dans cette vision globale, les trois langues seront utilisées (Malagasy, Français, Anglais). Parler de Sciences en termes simples est un exercice peu évident pour tous les scientifiques, et parler de Science en langue Malagasy est une autre affaire !


L'équipe de l'éditoriale voudrait louer la bonne volonté et le courage des collègues scientifiques qui ont accepté de relever le défi de la “vulgarisation scientifique” à travers Kintana Magazine.

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page