top of page

Kintana Magazine N. 2 - Aprily 2020

Updated: Dec 16, 2020

An-kafaliana no anolorana antsika ny Kintana Magazine andiany faharoa. Mahaliana tokoa ireo lohahevitra amin’ity Kintana Magazine an-diany faharoa ity, koa mirary antsika hazoto hamaky azy. Aza misalasala mifandray aminay raha toa ka misy fanontaniana, fanamarihana, na koa soso-kevitra.



Niova ny endriky ny Kintana Magazine




Kintana Magazine dia natao hampahafantarana ireo mpikaroka Malagasy sy ny tontolo manodidina ny asa fikarohana. Ezahina hatrany ny hanome fahafaham-po ny mpamaky, koa amin’ity andiany faharoa ity dia noezahina manokana ny nanatsara ny endriky ny Kintana Magazine, mifanaraka amin’ireo hevitra voaangona tamin’ny valin’ny fanadihadiana natao tamin’ny mpamaky (p. 27). Anisan’izany ny fanafohezana ny lahatsoratra sy ny fampitomboana ireo sary fanehoana. Eto izahay mpikarakara ny Kintana Magazine dia maneho fisaorana feno ho an’ireo nandray anjara tamin’ny fanadihadiana, ireo nanome sosokevitra fanatsarana, ireo nanome sary ary indrindra ireo mpanoratra naneho fahavononana ka nandefa lahatsoratra.


Ho hitanao ao amin'ny andiany faharoa

Amin’ity andiany faharoa ity dia misongadina kokoa ireo lohahevitra mikasika ny fahasalamana. Anisany mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny resaka areti-mifindra toy ny “Coronavirus” sy ny “Ebola” (p.4), fa tsy tokony hadinoina ihany koa anefa fa loza mitatao hatrany ny tsy fanjarian-tsakafo (p. 11), izay olana mitarazoka tsy mbola voavaha raha ny eto Madagasikara, ary koa ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny hazan-dranomasina (p. 14). Ankoatra izay, toa mbola tsy ahitam-bahaolana koa ny fahasimban’ny tontolo iainana eto Madagasikara, ka maneho hevitra mikasika izany ny mpianatra mpikaroka iray (p. 19). Mikasika ny fiarovana ny tontolo iainana ihany, dia hiresaka amintsika mpamaky ny traikefa sy ny fanamby atrehany ny vehivavy siantifika iray (p. 24) misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina. Tranga efa mahazatra amin’ny tontolon’ny mpisehatra amin’ny STEM (Science, Technology, Engeneering, Mathematics) ny fandehanana mandranto fianarana na mamonjy fiofanana any ivelan’i Madagasikara, fa misy koa ireo mpikaroka Malagasy izay misafidy ny hifindra monina any ivelany. Ho hitantsika ato amin’ity andiany faharoa ity ihany koa ny fanehoan-kevitra iray mikasika io tranga io (p. 22).

Mahaliana tokoa ireo lohahevitra amin’ity Kintana Magazine andiany faharoa ity, koa mirary antsika hazoto hamaky azy. Aza misalasala mifandray aminay raha toa ka misy fanontaniana, fanamarihana, na koa sosokevitra.

Adelaide Miarinjara

Adiresy mailaka ifandraisana: ikalabekintana@gmail.com


Hitanao ato sy ato ny Kintana Magazine andiany voalohany, izay nivoaka tamin'ny Aprily 2019.

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page