Lahatsoratra fanaheon-kevitra nosoratan’i Dr. Seheno Corduant-Andriantsaralaza, mpandrindra eto Madagasikara an’ilay vondrom-mpikambanana miaro ny varika na gidro, atao hoe "Lemur Conservation Network".
Tahaka ny tanora rehetra nahavita fianarana teny amin’ny ambaratonga fototra dia tonga ary ny fotoana hifidianana ny lalam-piofanana harahina eny amin’ny ambaratonga ambony, rehefa afaka Bacc aho tamin’ny taona 2002. Tapaka ary ny hevitro fa hanaraka lalam-piofanana “Siansa” eny amin’ny Oniversite an’Antananarivo aho. Efa faniriako hatry ny ela ny ho lasa mpikaroka. Ireo horonan-tsary fanadihadiana mikasika ny fikarohana hitako tamin’ny fahitalavitra fony aho mbola zaza no anisany nampitsiry tato amiko io faniriana io.
Rehefa fantatry ny manodidina ahy anefa izany fikasako izany dia tsapako fa tsy dia nahazo famporisihana loatra aho. Betsaka ny nametra-panontaniana toy ny hoe “Inona koa izany taranja Siansa izany? Inona no asa azo atao amin’izany?”. Matetika fandre koa ny hoe “Hanao mpampianatra ve izany no tanjona?”. Mahonena moa ny fiheveran’ny sasany fa tsy dia manan-danja ny asa maha mpampianatra, na dia mitana anjara toerana lehibe amin’ny firenena azy izany. Nanaitra ahy manokana koa ny fanontaniana hoe “Tsy hanambady ve izany ianao fa ho variana hianatra?”
Tsy zava-baovao ireo rehetra ireo, ary inoako fa tsy izaho irery no nisedra ireo fanontaniana ireo, fa fanontaniana matetika mipetraka amin’ny vehivavy misafidy hanaraka ny lalam-piofanana Siansa ireo. Raha nandinika ireo tranga ireo aho dia hevitra vitsivitsy mikasika ny anjara toeran’ny vehivavy sy ny Siansa eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy (izay niainako) no andeha horesahina manaraka eto.
“Fa inona koa izany taranja “Siansa”? Inona no asa azo atao amin’izany?”
Raha ny hevitro dia tsy fantatry ny ankabeazan’ny Malagasy ny lanjan'ny Siansa amin'ny ankapobeny. Tsy hita taratra loatra eo amin’ny fiaraha-monina ny antom-pisiany ary matetika dia ny hoe natokana ho an'ny tany mandroso ny resaka fikarohana ara-tsiansa. Taranja nianarana tany an-tsekoly no fahalalan’ny maro azy, toy ny kajy, matematika sy fizika, ary ny fiantsoana ilay taranja siantifika iray hoe “fahalalana tsotsotra” tany amin’ny ambaratonga fototra dia anisany mety nahatonga io tsy fanomezan-danja io. Ny asa ho mpampianatra momba ny siansa ihany no asa ateraky ny lalam-piofanana siansa hany fantatry ny sarabambem-bahoaka kanefa dia maro ireo anton’asa ateraky ny fandalinana ny Siansa amin’ny ankapobeny, ary misy akony amin’ny fiainana andavan’andro ny voka-pikarohana.
“Tsy hanambady ve izany ianao fa ho variana hianatra?”
Araky ny antontan’isa navoakan’ny UNESCO (United Nations Educational, Scientific and Cultural Organization) tamin'ny taona 2016 dia 4,62 % no tahan'ny vehivavy mandranto fianarana amin'ny ambaratonga ambony eran-tany. Tena ambany io salan’isa io, na dia mety hiovaova araky ny firenena aza. Azo itarafana ny tsy fitoviana eny amin’ny fiaraha-monina anefa izany. Raha ny fiaraha-monina Malagasy no jerena, dia toa tsy manana anjara toerana miavaka ny vehivavy ankoatry ny maha Reny azy. Tsapa izany amin’ny fomba fiteny toy ny hoe “Ny vehivavy no ravaky ny tokantrano”, “Ny anambadian-kiterahana”.
Raha ny hevitro, dia io tsindry avy amin'ny fiaraha-monina io no anisan'ny olana lehibe sedrain'ny vehivavy manaraka ny lalam-piofanana Siansa. Ny fomba fijery ny vehivavy mihitsy, izay mametraka ho laharam-pahamehana ny fiterahana, indraindray, no zary lasa sakana tsy ahafahany manohy ny tanjony amin’ny resaka fikarohana ara-tsiansa. Faheno matetika koa ny hoe “ho tara ianao”, satria tsy mbola tapakevitra ny hiteraka, amin’ny taona heverin’ny maro fa tokony hanaovana izany. Hita eran’izao tontolo izao koa aza moa ireo vehivavy “mahaleo tena”, nisafidy ny tsy hanambady na tsy hiteraka.
Tsy misy maharatsy azy ny soatoavina Malagasy manindrahindra ny fiainam-pianakaviana, kanefa tsy tokony ho lasa tsindry eo amin’ny safidy ataon’ny vehivavy Malagasy mikasika ny fianarana sy ny asa ataony izany. Raha toa ka manana tokantrano ny vehivavy mpikaroka iray dia voaporofo tsara fa azo atao ny mampiaraka ny maha renim-pianakaviana sy ny asa fikarohana toy ireo asa hafa.
“Ny lalana mitondra amin’ny fandrosoana dia sady tsy haingana no sady tsy mora”
Na izany aza anefa dia hita fa manomboka betsaka ny vehivavy manohy fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Mipetraka ihany anefa ilay fiheverana fa misy ireo lalam-piofanana sy asa heverina fa “mendrika kokoa” ho an’ny vehivavy. Ny zavatra tsikaritra dia ny lalam-piofanana fitantanana (gestion) na fifandraisana (communication) na toe-karena (économie) na lalàna (droit) no betsaka misafidy aorian’ny fahazoana ny baccalauréat, satria mora ahitàna asa haingana ny fiheverana ireny lalam-piofanana ireny. Marihina fa tsy sanatria manao tsinontsinona ireny lalam-piofanana ireny aho, fa kosa hita miha-maro loatra ny mpitady asa avy amin’izy ireny ka tsy maharaka intsony ny tolotra sy ny tinady eo anivon’ny tsenan’ny asa, ary koa misy sampam-pikarohana azo atao tsara amin’ireny lalam-piofanana ireny.
Eo koa ny fiheverana fa natokana ho an’ny lahy ny siansa sy ny fikarohana, satria ny vehivavy dia “ravaky ny tokantrano”, ka tsy natao ho azy ny asa mafy sy ny fialana matetika ao an-tokantrano, noho ny asa fikarohana sy ny famitàna fianarana any ivelany. Ekena fa mitaky fotoana sy finiavana tokoa ny asa fikarohana, izay heverin’ny tsy mahalala ho fandaniana andro. Ary satria koa moa “fanaka malemy”, dia heverina fa tsy hanana hery sy faharisihana ary faranitan-tsaina izay ilaina amin’io lalam-piofanana io. Ny vehivavy dia manana saina afaka mikaroka tsara toy ny lehilahy ary manana toe-tsaina afaka maharitra sy miaritra izy. Raha ambara tsotra dia tsy miankina amin’ny ny maha lahy na maha vavy ny fahafahana manaraka ny fianarana Siana sy fanaovana asa fikarohana.
“Aza misy avela haka ny zavatra irinao na ny nofinofinao...”
Koa inona no valinteny omentsika ny vehivavy Malagasy maniry ny hanohy fikarohana na handranto fianarana momba ny Siansa, na koa isika izay eo am-panaovana asa fikarohana? Indramiko eto ny fomba fijery iray vao henoko tsy ela izay, raha sendra nanatrika famelambelaran-kevitra momba ny siansa sy ny fikarohana aho: “Ny tanora vavy na lahy misafidy hianatra siansa dia maniry ny hamorona asa fa tsy hitady asa”.
Ny fananana tanjona ambony sady lavitra no anisan’ny antony mahatonga ny vehivavy hisafidy lalam-piofanana Siansa sy fikarohana. Ny fiezahan’izy ireo sy ny fikelezany aina mba ho tafita no ohatra tsara indrindra anaporofoana fa hevi-diso ny fiheveran’ny fiaraha-monina fa tsy natao ho an’ny vehivavy ny sehatry ny fikarohana.
Koa herezo ary ry vehivavy Malagasy mpikaroka sy siantifika namako, fa hoy i Marie Curie, vehivavy siantifika voalohany nahazo ny Prix nobel: “Ny lalana mitondra amin’ny fandrosoana dia sady tsy haingana no sady tsy mora”. Hoy ihany koa i Mae Jemison, izay vehivavy astronaute nandeha teny amin’ny habakabaka voalohany: “Aza misy avela haka ny zavatra irinao na ny nofinofinao, na ny fahaizanao mamorona, satria io no toerana misy anao, ary noho izany, io no tokony hisy anao, io no atao hoe fiainanao. Mahereza, tohizo izay azonao rehetra atao amin’izany ary manàna ny fiainana izay nirianao iainana hatramin’izay”.
Ary hoy aho hoe “mahereza ry vehivavy Malagasy siantifika mpikaroka, aza avelanao ny hafa, na ny fiaraha-monina, no hamehy ny fiainanao sy izay tianao hatao eo amin’ny sehatra misy anao, fa ho reharehanao, ho reharehan’ny firenena sy izao tontolo izao ianao”.
Mikasika ny mpanoratra
Dr. Seheno Corduant-Andriantsaralaza dia nahazo ny diplaoma Doctor of Philosophy (PhD) amin’ny taranja Siansa, Departemanta zava-maniry ary Ekolojia tao amin’ny Oniversiten’i Antananarivo ny taona 2015.
Ny vontoatin’ny fikarohana nataony dia ny fijerena ny fiparitahan'ny voan'ireo hazo atao hoe "Baobab" izay karazany enina be izao no tsy misy afatsy eto Madagasikara. Mikaroka sy mandalina ireo biby ankehitriny sy taloha mpihinam-boa an'ireo baobab izy.
Ankehitriny izy dia manohy fikarohana amin'io zava-maniry io sady mpandrindra eto Madagasikara an’ilay vondrom-mpikambanana miaro ny varika na gidro, atao hoe "Lemur Conservation Network".
Raha maniry ny hifandray aminy dia afaka manoratra mivantana aminy amin’ny alalan’ny mailaka
Mikasika ny Kintana Magazine
Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratar amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambony
Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo alaina eto.
Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana @gmail.com.
Comentarios