top of page

Ny aretina Pesta sy ny tontolony: Ny parasy, ny voalavo ary ny olombelona

Updated: Oct 8, 2019


Sary fanehoana: fitiliana ny pesta ao amin’ny taovan’ny voalavo (Sary: Adelaide Miarinjara)

Tamin’ny fisasahan’ny taona 2017 iny dia anisan’ny zava-nitranga nampihorohoro ny mponina tamin’ny faritra maro teto Madagasikara ny aretina pesta. Aretina tena atahoran’ny olona ny pesta, noho izy mora mifindra ary mahafaty haingana raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana. Vitsy anefa ny olona mahalala ny fisian’ny aretina pesta talohan’iny tranga tamin’ny 2017 iny, ary maro no niroaroa saina mikasika io aretina io. Indro ary lahatsoratra fohy ahafahana mahalala bebe kokoa mikasika io aretina io.


Ny aretina pesta dia raikitra ao amin’ny tantaran’izao tontolo izao, ho toy ny areti-mandripaka ao anatin’ny fotoana fohy. Tombànana ho 50 000 000 ny isan’ireo maty vokatr’ io aretina io tany Eoropa nandritra ny taonjato faha-efatra ambin’ny folo. Ankehitriny anefa dia efa zary adino sy vitsy mpahalala io aretina io, ary firenena vitsivitsy eran-tany sisa ahitana azy, indrindra amin’ny kontinanta Afrikanina. I Madagasikara no firenena mitana ny lohalaharana amin’ny salanisan’ny olona voan’ny aretina pesta eran-tany. Teo anelanelan’ny taona 2010 sy 2017 ohatra dia nahatratra 200 ka hatramin’ny 700 isan-taona ny olona ahiahiana ho voan’io aretina io teto Madagasikara.


Madagasikara sy ny aretina pesta: tantara efa ela…


Ara-tantara dia tamin’ny taona 1898 no nahitàna aretina pesta voalohany teto Madagasikara. Tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina no nahitana izany, tao aorian’ny fahatongavan’ny sambo lehibe iray avy any Inde, izay nisedra ny aretina pesta tamin’io fotoana io. Nanomboka teo dia betsaka ny narary tao an-toerana, ary nihanaka tsikelikely eran’ny Nosy izany tao anatin’ny taona maromaro. Taty aoriana anefa dia voafehy tsikelikely ny aretina noho ireo ezaka natao iadiana aminy, ka nihena ireo maty sy ny fihanaky ny aretina. Ankehitriny anefa dia mitoetra ao amin’ireo faritra be tendrombohitra (haavo mihoatra ny 800 metatra) ao afovoan’ny Madagasikara ny aretina. Ankoatry ny faritra afovoan-tany dia ny tanànan’ny Mahajanga ihany no tanàna amorontsiraka ahitana ny aretina pesta.


Pesta, aretim-boalavo mifindra amin’ny olombelona


Ireo mpikaroka dia nahita fa ny pesta dia aretim-boalavo, mifindra amin’ny samy voalavo ary koa amin’ny olombelona, amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy mitondra ny tsimok’aretina ( Yersinia pestis). Ny voalavo dia marary ary matin’ny aretina pesta. Ny parasy kosa dia katsetsitra miaina ao anatin’ny volom-boalavo ary miankina tanteraka amin’ny fitsetsefana rà ny fiainany. Rehefa matin’ny pesta ary ny voalavo izay mitondra ireo parasy, dia tsy maintsy miezaka izy ireo hitady voalavo hafa. Matetika dia izay biby mafana rà hitany eny no kaikeriny, ary anisan’izany ny olombelona.


Ny fikarohana mikasika ny tsimok’aretina Y. pestis eo anivon’ny parasy dia nampiseho fa ny firoborobon’ny tsimok’aretina ao anatin’ny lalan-kanin’ny parasy dia miteraka fahatsentsemana, eo anelanelan’ny tendany sy ny vavoniny izay manelingelina na mampitsahatra tanteraraka ny fomba fisakafony. Noho izany dia tsy mety voky izy ka voatery hanaikitra matetika. Kanefa isaky ny miezaka mitsetsitra rà ny parasy dia mamoaka ampahan-drà feno otrik’aretina ao anatin’ny hoditry ny biby kaikeriny, ka eo indrindra no miseho ny famindrana ny aretina. Noho izany, ny fifaneraserana amin’ny voalavo dia mampitombo ny taha mety ifindran’ny pesta amin’ny olombelona.


Afaka andro vitsivitsy aorian’ny kaikitry ny parasy mitondra ny otrik’aretina dia toy izao no soritr’aretina mahazatra: harerahana, fanaviana ary fisian’ny fivontosana manaintaina (tarimo na tangiky) miforona eny amin’ny foto-pe, helika ary foto-tenda, arakaraky ny toerana amin’ny vatana voakaikitry ny parasy mitondra ny tsimok’aretina. Miankina tanteraka amin’ny kaikitry ny parasy ny fiparitahan’io endriky ny pesta io izay antsoina hoe “pesta atoditarimo”.


Raha tsy voatsabo ara-potoana io aretina io dia mihanaka amin’ny rà ny tsimok’aretina, ka mihasarotra tsaboina. Indrindra moa raha tonga any amin’ny avokavoka dia miteraka ny atao hoe “pesta aretin-tratra”, izay miseho amin’ny alalan’ny fahasemporana, kohaka, ary rehoka misy rà. Amin’izay fotoana izay dia mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny aretina, ary olona samy olona no mifamindra ny aretina, ka vetivety dia mihanaka raha tsy voatsabo. Izay no toe-javatra nitranga tao an-drenivohitra tamin’ny taona 2017.


Noho izany dia laharam-pahamehana ny manatona toeram-pitsaboana raha vao mitranga ny soritr’aretina, na misy mampiahiahy. Aretina mora tsaboina ny pesta raha voatily ara-potoana, ary raha manaraka tsara ny toromarika omen’ny mpitsabo ny marary sy ny fianakaviany, ary maimaimpoana ny fitsaboana eto Madagasikara.


Amin’ny fotoana fahavaratra no tena ahitana ny trangan’aretina pesta eto Madagasikara, indrindra hoan’ny faritra afovoantany. Araky ny fikarohana nataon’ny mpikaroka miasa manokana mikasika io aretina io dia mifanaraka tanteraka amin’ny fitomboan’ireo parasy ny toetr’andro mafana (23 – 26֯ C) sy mando, ka rehefa betsaka ny parasy dia mora kokoa ny fifindran’ny aretina eo anivon’ireo voalavo, ary miafara any amin’ny olombelona.


“Entomologie Médicale”: fianarana manokana mikasika ireo bibikely mamindra otrik’aretina


Tsy ny parasy rehetra anefa no afaka mamindra ny otrik’aretina pesta, fa miankina amin’ny karazany. Ny parasim-boalavo no tena afaka mamindra ny tsimok’aretina pesta. Anisan’ny fikarohana ataon’ny siantifika miompana amin’ny fandinihana ireo bibikely mamindra aretina (entomologiste médicale) ny famantarana ireo karazana parasy afaka mamindra ny aretina pesta, ary ny fandinihana ny fomba fiainan’ny parasy. Ilaina izany mba hanatsarana ny fomba entina miady amin’io aretina io.


Ady amin’ny pesta eto Madagasikara


Eto Madagsikara, ny ady amin’ny pesta dia miompana tanteraka amin’ny fandraisana an-tànana ny fitsaboana ireo marary, ny fiarovana ireo olona nifanerasera tamin’ny marary, ny fanaparitahana ao an-trano ny fanafody mamono parasy, ary ny fanentanana mikasika ny ady amin’ny voalavo. Tsara tsindrina eto anefa fa ny famonoana voalavo, tsy miaraka amin’ny fomba famonoana ny parasiny dia mampitombo ny taha mety hampihanaka ny aretina, noho ny fiparitahan’ny parasy. Ka noho izany dia tokony atao sambo-belona hatrany ny voalavo ary ny famonoanana azy anaty rano no fomba tsara indrindra tsy hampiparitaka ny parasiny. Ny fampiasana poizina famonoana bibikely matetika dia mampihena ny herin’izy ireny amin’ny parasy, ka manjary mampitombo ny fahasahiranana amin’ny fiadiana amin’ny pesta.

Ny fiarovana tsara indrindra dia ny fanalavirana ny voalavo, amin’ny alalan’ny fitandrovana ny fahadiaovana sy ny tontolo iainana, ary ny fiarovana ireo biby mihinana voalavo, toy ny bibilava sy ny vorona.



Mikasika ny mpanoratra:

Dr. Adelaide Miarinjara dia nanaraka ny lalam-piofana Science Naturelle tao amin’ny Oniversiten’ny Mahajanga, ary nanaraka fiofanana Entomologie tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Ankehitriny izy dia manohy fikarohana ao amin’ny National Institute of Health, Montana, USA. Adiresy mailaka azo ifandraisana aminy : amiarinjara@gmail.com





Mikasika ny Kintana Magazine

Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratar amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambony Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo alaina eto. Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana @gmail.com


Comments


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page