Our newsletters

[PDF versions]

kintanamagazine_logo_small.png

Ny Géologie sy ny fiovaovan’ny toetr’andro


Ireo dingana maro samihafa nolalovan’ny Planeta Tany, izay voarakitra ao anatin’ny “Echelle des Temps Géologiques”. Ny isa eo amin’ny kisary (ohatra 545, 300, 65, 2.6) dia mampiseho ny taona an-tapitrisany.

Ny Haibolantany na “Géologie” (izay avy amin’ny foto-teny roa grika “geo” = tany sy “logos” = fianarana) dia fiana­rana amin’ny antsipirihiny izay zavatra rehetra mahakasika ny Planeta Tany. Izany dia miatomboka amin’ny fandali­nana ireo akora madinika indrindra mandrafitra azy (atôma, mineraly, vato, sns.) ka hatramin’ny fandalinana ireo dingana maro isan-karazany nahatonga ny Planeta Tany ho toy izao iainantsika izao.

Anisan’ny fahalalana fototry ny taranja Haibolantany ny famaritana ny vanim-potoana nivoaran’ny Tany, izay antsoina hoe “Echelle des Temps Géologiques” amin’ny teny frantsay. Ny échelle des temps géologiques dia toy ny tetiandro mirakitra ny tantaran’ny Planeta Tany. Raha ampitahaina amin’ny ohatra tsotra izy dia toy ny diary mirakitra tantara maro. Izany tantara izany dia manomboka hatramin’ny fotoana niforonan’ny Planeta Tany, izay voalaza fa toerana tsy nisy aina (4,5 tapitrisa taona lasa tany ho any), ka hatra­min’izao vanim-potoana iainantsika izao, izay ahitana karazan-java-manan’aina maro, ary isika olombelona dia voasokajy ao anatin’izany.


Voarakitra ao anatin’io échelle des temps géologique io avokoa ny zava-dehibe nitranga rehetra teto ambonin’ny Tany. Ohatra amin’izany ny fisarahan’ny kaontinanta, ny fotoana nipoirana sy nanjavonan’ny zava-maniry sy ireo biby isan-karazany, ary indrindra ny fotoana nisian’ny olombelona. Ireo dingana lehibe ireo dia voafintina ao amin’ny sary etsy ambony. Maro no mety ho anton’ireo fipoirana sy fanjavonan’ireo zava-manan’aina isan-karazany ireo. Ny fahalalana ny momba izany dia ma-nampy betsaka mamantatra ny fivoa-ranan’ny Planeta Tany sy ireo zava-manan’aina eo aminy.


Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny taranja Haibolantany


Tamin’ny voalohany, ny taranja Haibolantany dia natokana manontolo hianarana ireo karazam-bato sy ny fomba fiforonany ary ny toerana ahitana azy. Izany hoe nifantoka tan­teraka tamin’ny fianarana ny firafitra sy ny simian’ ny tany (raha amin’ny teny vahiny dia ny “Géologie structurelle” sy “Géochimie fondamentale”). Ho fanampin’izany dia eo koa ny fametrahana ara-tetiandro ireo karazana zava-manan’aina efa lanytamingana (antsoina hoe fôsily), mba nahafahana nanoratra ny fivoaran’ny Planeta Tany. Noho ireo foto-kevitra faobe ireo dia maro ny nihevitra fa tsy misy ifandraisany amin’ny fiainana andavanandro ny voka-pikarohana mifandraika amin’ny Haibolantany. Maro ihany koa aza ireo mihevitra fa natokana ho an’ny mpitrandraka vatosoa, volamena, solika, sy harena ankibon’ny tany no tena ilàna io taranja io.


Ny Haibolantany sy ny fiovaovan’ny toetry ny andro.


Ankehitriny anefa dia tena mivelatra be ny sehatra azo ampiasana ny Haibolan­tany, satria fantatra fa tena manampy betsaka amin’ny seha-pikarohana siantifika maro izy (“Science multidisci­plinaire”).


Anisan’izany ny fandalinana ny fomba fitahirizan’ireo karazam-bato ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny tontolo iainana tamin’ny fotoana lasa. Taranja izay tena vaovao io raha ho antsika Malagasy, kanefa dia tena hita tokoa fa manampy betsaka ahafantarana ny toe-toetry ny tontolo iainanan’ireo zava-manan’aina eto ambonin’ny tany nandritra ny fotoana ela. Jereo ny sary sy ny lahatsorara eo ambany manazava tsotsotra izany.

Fanazavana tsotsotra ny fomba fitahirizan’ny vato ireo karazana fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny tontolo iainana.


Nahoana hoy ianao no zava-dehibe ny fampifandraisana ny Haibolantany sy ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny tontolo iainana?


Tsara ho marihina ety am-piandohana fa ny fiovaovan’ny toetry ny andro resahina eto dia tsy ilay manasara-taona toy ny fahavaratra sy ririnina. Ny fiovaovan’ny toetry ny andro (“changement climatique”) sy ny tontolo iainana (“chagement environmental”) dia voafaritra ho fiovàna ao anatin’ny fotoana lava, izany hoe an-taonany maro. Ny fiovaovan’ny toetry ny andro dia mety ho voajanahary, na mety ho vokatry ny asan’ny olombelona[1], na ihany koa mety ho fitambaran’izy roa ireo.


Ny vokatry ny fiovaovàn’ny toetry ny andro dia anisan’ny mampitaintaina ny maro tokoa. Miantraika mivantana amin’ireo toerana marefo izany, indrindra ireo firenena andalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara. Na ny firenena tena efa mandroso sy tena ampy fitaovana ihany koa aza dia tsy afa-miala amin’ireo vokatra ratsy ateraky ny fiovaovàna. Raha miova tokoa mantsy ny toetry ny andro mandritra ny fotoana maharitra dia miantraika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ary ireo karazam-pamokarana isan-karazany izany. Anisan’ny mijaly ihany koa ny biby sy ny zava-maniry vokatry ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Mety hirongatra ihany koa ny aretina isan-karazany.

Ny fahafantarana io fiovàna io, izay ni-tranga tamin’ny fotoana lasa (folo, zato, arivo taona na mihoatra), dia tena ma-nampy betsaka hanatsarana ireo “modèles climatiques” na faminavinàna ny mety ho fiovan’ny toetry ny andro ao aoriana, toy ny fotoana mety hiverenan’ny mosary vokatry ny tsy fahampian’ny orana, ny fiovan’ny herin’ny varatraza sns.


Tsy mora ny miady amin’ny fiova-ovan’ny toetry ny andro, satria betsaka no antony mahatonga azy, araka ny voalaza teo ambony. Ny fikarohana mikasika ny fomba fitahirizan’ireo karazam-bato ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny tontolo iainana tamin’ny fotoana lasa dia manampy betsaka mamaly ireo fanontaniana siantifika maro. Izany dia ahafantarana ny fototry ny fiovaovàna, ny faharetan’ny fiovaovàna, ary ny fiverim­berenan’ny fiovaovàna.


Io sampam-pikarohana ao amin’ny Hai­bolantany io dia mijery sy mandalina ireo akora simika samihafa voatahiry anaty vato, ary mampifandray azy ireo amin’ny tontolo niforonan’ireo vato ireo. Ny vokatra azo avy amin’io fika­rohana io dia afaka ampiasain’ireo mpikirakira manokana ny “modèles cli­matiques” mba ahafahan’izy ireo mahafantatra tsaratsara kokoa ny fomba fisehon’ny fiovaovàna, ny anton’ny fiovaovàna isan-karazany, ary manatsara ny faminaniana ny mety ho fiovaovan’ny toetry ny andro any ao­riana (“projection climatique”). Ny fanànana ireo fahalalana avy amin’ny fikarohana eo amin’ny taranja Haibolan­tany ireo dia manampy ny mpitondra sy ny vahoaka tarihiny hi­omana tsaratsara kokoa amin’ireo mety ho fiantraikany ratsy avy amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro.



Mikasika ny mpanoratra

Dr. Ny Riavo G. Voarintsoa dia nandalina fianarana momba ny Haibolantany tao amin’ny Fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Antananarivo. Tamin’ny taona 2017 izy dia nahazo ny diplaoma Doctor of Philosophy (PhD) amin’ny taranja Haibolantany tao amin’ny Oniversiten’i Georgia tany U.S.A. Nahazo mari-pankasitrahana manokana, antsoina hoe “Marie Curie Fellowship” izy ahafahany manohy ny fikarohana ao amin’ny Department of Earth and Environmental Science ao KU Leuven, Belgium.

Raha mila fanazavana fanampiny na maniry ny ahafantatra bebe kokoa mikasika ny lalam-piofanana narahin’ny mpanoratra ianao dia afaka mitsidika ny tranokalany www.voary.com , na manoratra mivantana aminy, amin’ny alalan’ny mailaka: nyriavo.voarintsoa@gmail.com



Mikasika ny Kintana Magazine

Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratar amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambony

Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo alaina eto.

Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana @gmail.com

[1] Azo tanisaina amin’izany ohatra ny fitomboan’ny hafanan’ny Tany vokatry ny fiakaran’ny tahan’ny entona manimba ny sosona ozona (toy ny CO2 sy ny CH4).

  • Facebook Social Icon
  • Twitter Social Icon
  • Facebook Social Icon
Contact

 

​Telephone : ​+261 34 27 611 19

Email : ikalastem-at-gmail-dot-com