top of page

Ny vehivavy sy ny Matematika

Updated: Aug 1, 2019


Sary fanehoana : Manome tahotra sy tsindry mavesatra ho an’ny vehivavy ny fitsaratsaram-poana ka hahatonga ny sainy tsy hiasa araka ny tokony ho izy. ©Ayodhya Ouditt/NPR (www.npr.org)

Lahatsoratra fanaheon-kevitra nosoratan’i Dr Nantsoina Cynthia Ramiharimanana, mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Clemson University, Caroline Atsimo (USA)


Inona no hevitra tonga ao antsainao voalohany raha maheno ilay lohahevitra oe “Ny vehivavy sy ny Matematika” ianao? Mety hoe “zavatra roa tsy miaraka ...”, sa “fanamby mbola sarotra ...”, na koa oe “mahatalanjona...”, sa “efa mahazatra ...” no ao antsainao ao?

Tafiditra ao anatin’ilay vondrona STEM ny Matematika. Matetika heno amin’izao fotoana izao ny oe “vehivavy manao STEM” (raha adika amin’ny teny Anglisy dia hoe “Women in STEM”). Efa maro be ny karazana fikambanana mivoy io lohahevitra io eran-tany, isan’izany ny fikambanana misy anay: “Ikala STEM”. Inona ary no antony hivohizana mafy io hevitra io? Raha ho an’Ikala STEM manokana dia teny faneva ny fanohanana sy ny fampandrosoana ny vehivavy Malagasy manao STEM. Amin’ny ankapobeny, ny antom-pijoroan’ny karazana fikambanam-behivavy mirona amin’ny STEM dia ho fanohanana ireo efa tafiditra ary koa ho fanentanana indrindra ireo vehivavy mba hiditra amin’izany sehatra izany satria vitsy dia vitsy ny vehivavy manao STEM.

Raha jerena isan-tsokajiny ireo taranja mivondrona ho STEM, dia ny matematika no manana salan’isa kely indrindra amin’ny vehivavy misehatra aminy. Araky ny statistika navoakan’ny gazetiboky amerikana iray, amin’ny ankapobeny ny ao amin’ny Oniversite Amerikanina iray dia ny 10 -15% ny mpampianatra sy mpikaroka amin’ny matematika ihany no vehivavy. Mitovitovy amin’izay ihany koa ny salan’isa ho an’ny mpianatra matematika vehivavy. Tsy mifanalavitra amin’izany ny tarehimarika ho an’ny firenena Eropeanina. Tafiditra ao anatin’ny 10 voalohany amin’ny Oniversite matanjaka indrindra eran-tany amin’ny matematika ny “Cambridge Unversity” ao Royaume-Uni (Eropa), na izany aza anefa dia tsy miavaka loatra izy eo amin’ny salanisan’ny vehivavy manao matematika. Tamin’ny taona 2017 dia 17% tamin’ireo mpianatra vaovao hanao matematika ihany no vehivavy tao amin’io Oniversite matanjaka io.

Mahao ahoana kosa indray ary ny tarehimarika ho an’ny firenena Afrikanina? Raha ho an’ny Oniversite an’Antananarivo – Madagasikara - manokana dia manaitra ny saina ny salan’isa. Araky ny resaka nifanaovana tamin’ny mpampianatra matematika iray avy ao amin’ity Oniversite ity dia manodidina ny 40 eo ny mampianatra matematika ao, ary iray amin’izany ihany no vehivavy manana “doctorat”.

Mipetraka ary ny fanontaniana hoe fa nahoana no vitsy dia vitsy ny vehivavy manao matematika?

Betsaka ny fanadihadiana sy fikarohana nataon’ny manampahaizana ivelan’ny Madagasikara mba hamaliana io fanontaniana io, ary antony maromaro no efa nanehoan’izy ireo hevitra. Ho an’ny malagasy manokana, inona no mahatonga ny vehivavy tsy hisehatra amin’ny matematika? Inona no hevitra tonga ao antsainao voalohany?

Nivohitra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka maromaro avy ao amin’ny Onivesrite Princeton, New Jersey, USA, fa ny “stereotype” (na raha adika teny malalaka dia “fitsaratsaram-poana”) mahakasika ny vehivavy eo anatrehan’ny matematika no isan’ny antony iray voalohany mahatonga ny vehivavy hanalavitra izany taranja izany. Nandritra ny fanadihadiana nataon’izy ireo tamin’ny mpianatra maromaro dia efa mahatratra 50% no mihevitra fa ny lehilahy no matanjaka kokoa amin’ny taranja matematika nohon’ny vehivavy, ary 1% ihany no naneho hevitra mifanohitra amin’izany. Zary lovain’ny taranaka mifandimby, hany ka toa lasa finoana ho an’ny besinimaro ny hoe tsy taranjan’ny vehivavy ny matematika satria tsy manana fahakingan-tsaina ho an’izany izy ireo.

Ho anao, efa naheno izany fitsarana izany ve ianao? Ho anao vehivavy tsy niditra amin’ny sehatry ny matematika, mino ve ianao fa tsy tafavoaka ianao raha io sehatra io no nidiranao? Ary ho anao lehilahy, tena mihevitra tokoa ve ianao fa tsy natao ho an’ny vehivavy ny matematika? Nahoana ary io “stereotype” io no miteraka fahavitsian’ny vehivavy manao matematika.

Araka ny fanadihadian’ireo mpikaroka voalaza etsy ambony ihany, raha manjaka ao antsain’ilay vehivavy io hevitra io dia hanome tahotra sy tsindry mavesatra ho an’ny sainy izany ka hahatonga ny sainy tsy hiasa araka ny tokony ho izy rehefa mamaha olana matematika. Izany anefa dia hiteraka tsy fahombiazana izay vao mainka manamafy fa toa tsy natao ho an’ny vehivavy tokoa ity matematika ity. Raha araka ity fikarohana ity izany dia fiantraikan’ilay fitsaratsaram-poana eo amin’ny psikolojian’ny vehivavy mihitsy no tena miteraka ny fahalainan’izy ireo hiditra hanao matematika. Toa tsy mahagaga noho izany ny fahavitsin’ny matematisianina vehivavy.

Raha eo amin’ny sehatry ny asa ho an’ireo vehivavy efa manao matematika kosa indray no jerena dia mbola hita taratra hatrany fa tratran’io fitsaratsaram-poana io izy ireo. Raha misy asa iray hilana matematisianina ka misy kandidà lahy sy vavy mametraka antonta-taratasy amin’izany asa izany dia matetika loatra ny lahy no voaray hanao ilay asa. Izany dia mbola nohon’ny finoan’ny mpampiasa hatrany fa tsy vitan’ny vehivavy ny matematika ka tsy hatokisana hahavita asa tsara izy ireo. Miteraka tsy fahitan’ny matematisianina vehivavy asa anefa izany, ary mahatonga ny zandry sy zanaka aty aorina tsy hiditra amin’ny matematika. Nahoana tokoa moa no hiditra amin’ny sehatra izay mety tsy ahitana asa akory? Araka izany, toa olana fototra mihitsy ity “stereotype” ity ho an’ny vehivavy sy ny matematika. Mbola maro ireo antony hafa, fa fikarohana maro be no nanaporofo fa ny “stereotype” no antony iray lehibe indrindra mahavitsy ny vehivavy manao matematika.


Tiana anefa ny manamarika fa efa maro ireo matematisianina vehivavy nahavita dingana lehibe tamin’ny matematika. Ohatra amin'izany, tamin'ny taona 1993, dia profesora vehivavy, Marina Evseevna Ratner (Oniversite Californie), no nahazo ny loka "Ostrowski Prize" noho ny fikarohana matematika niavaka vitany. Tamin’ny taona 2014 dia ilay profesora vehivavy Maryam Mirzakhani (Oniversite Princeton) no nahazo ny “médaille Fields”, izay loka sarobidy indrindra amin'ny matematika.


Inona ary no vahaolana azo haroso mba hanampiana ny vehivavy tsy ho tratran’ny tsindry ateraky ny fitsaratsaram-poana?

Ho an’ny firenena ivelan’ny Madagasikara dia eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra mihitsy no manomboka ny fanentanana. Ho an’ny ambaratonga ambony kosa indray dia ny sehatry ny fijoroana vavolombelona, fanofanana, sy fanoroana hevitra (mentoring program) no anohanana ireo vehivavy manao matematika.


Ho an’ny vehivavy Malagasy manokana, inona ny hevitrao entina hiarovana azy ireo tsy ho resin’ny fitsaratsaram-poana?

Manasa anao ary haneho hevitra na hifandray mivantana amin’ny mpanoratra amin’ny alalan’ny mailaka etsy ambany.


Mikasika ny mpanoratra



Mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’ny Clemson – Caroline Atsimo (USA) i Dr. Cynthia Ramiharimanana ankehitriny. Ny lalampiofanana matematika no narahiny tao amin’ny Oniversite an’Antananrivo. Nanohy fianarana tao amin’ny Stellenbosch University (Afrika Atsimo) izy ary koa tao amin’ny Tel Aviv University (Israel). Miompana amin’ny “Number Theory” sy “Discrete Mathematics” ny fikarohana ataony.


Raha maniry ny hifandray aminy dia afaka manoratra mivantana aminy amin’ny alalan’ny mailaka: nramiha@clemson.edu


Mikasika ny kintana Magazine



Mbola betsaka koa ireo lahatsoratra mahaliana hafa ho hitanao ao amin’ny Kintana Magazine izay azo alaina eto.

Raha maniry handray anjara amin’ny laharana manaraka na manana soso-kevitra dia aza misalasala mifandray amin’ny mpikarakara ny Kintana Magazine amin’ny adiresy mailaka: ikalabekintana@gmail.com


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page