top of page

Tetikasa SERA: Mitady mpampiofana sy fanokafana ofisialy

Eo am-pamolavolana tetikasa vaovao Chapter America an'ny Ikala STEM. Ny tetikasa nomena ny anarana hoe “SERA” (Suivi, Evaluation, Redevabilité et Apprentissage) dia hiompana indrindra amin’ny fampiofanana ireo mpikambana maharitra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fitaovana ampiasaina eo anivon’ny fikambanana. Maro amin’ireo mpikambana ihany koa ireo maniry ny hahazo traikefa sy fiofanana matihanina koa izany no antom-pisian’ity tetikasa vaovao ity.

Maniry fiarahamiasa aminao ho mpampiofana izahay amin’ny lohahevitra maro toy ny : • STEM, • Gestion de projet, communication, • Leadership, • Statistique, Logiciel isan-karazany (SPSS, MSProject…) • Ireo tokony ho fantatra amin’ny fanomanana TOEFL…

Raha mahaliana anao ny ho mpampiofana dia mandefasa mailaka amin’ny vandriam31@gmail.com mialohan’ny 2 Desambra 2020 ho avy izao.



Ny fanokafana amin'ny tetikasa SERA moa dia hotontosaina amin'ny Sabotsy 5 Desambra 2020 amin’ny 4 ora (ora Madagasikara) ho avy izao, ary haharitra 1 ora. Manasa anao ary izahay hamandrika toerana amin'izany ary hangataka ilay rohy “Zoom” amin'ny alalan'ny fandefasana hafatra miafina amin'ny pejy Ikala STEM ; na ihany koa mandefasa mailaka amin'ny ikalasera@gmail.com.

Toa izao manaraka izao ny fandaharam-potoana amin'izany : • Fampahafantarana ny tetikasa “SERA”, • Fampahafantarana ny fandaharam-potoana mandritra ny faharetan’ny tetikasa, • Fampahafantarana ireo mpampiofana.


Manantena ny fanatrehantsika rehetra!

  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page