top of page

Ny fanamboarana “Biodiesel” amin’ny alalan’ny menaka azo avy amin’ny “cochon laqué”

Updated: Aug 9, 2021



I RABEMANANTSOA Vatsiniaina Yvette Virginie indray no vahintsika ao amin'ny Kintana Magazine Ed. 3. Ny fanodinana ny menaka azo avy amin’ny famboarana “cochon laqué” ho lasa angovo no horesahiny amintsika. Atao indrindra izany noho izy miaro ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

Tsy mitsaha-mitombo ny filan’ny olombelona ny solika sy ny angovo avy amin'ny loharanon-karena fosily. Araka ny tatitra nivoaka tamin’ny taona 2009, «ny fanjifana solika maneran-tany dia tombanana ho 82 tapitrisa barila isan’andro, ary tombanana ho 1400 miliara barila kosa ny tahirin-tsolika sisa tavela maneran-tany. Raha mijanona ho marin-toerana io fanjifana solika io dia mety hanjavona ity farany ny taona 2054[1].

Eo anatrehan’izany dia mipetraka ny fanontaniana mikasika ny vahaolana ho raisina. Ny fivoaran’ny loharanon’angovo hafa toy ny biodiezely (Frantsay: biodiesel) dia hita fa mety hanampy amin’ny fampihenana ny fiankinan-doha amin’ny angovo fosily.


Ny biodiezely dia solika diesely azo avy amin'ny zava-maniry na biby. Ny famokarana biodiezely dia mahaliana tokoa noho izy mampihena ny entona CO2 amin’ny rivotra iainana sady mahatsara ny motera. Maro noho izany ireo fikarohana natao, ary anisan’izany ity fikarohana ity izay mitatitra ny fanavaozana ireo sisa-menaka avy nampiasaina avy amin’ny fandrahoana «cochon laqué» ho lasa biodiezely amin’ny alalan’ny «transestérification».


Nofidina manokana ny fanodinana ny sisa-menaka avy amin’ny “cochon laqué” satria mihabetsaka ireo olona misehatra amin’ny fanamboarana azy io ho lasa antom-pivelomana, any amin’ny faritra Antsinana izay nanaovana ny fikarohana. Ny fampiasana na ny fanariana ireo menaka efa avy nampiasaina ireo anefa dia mitera-doza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, noho izy mandoto ny tany sy ny rano (pollution). Mety hampikatso ireo fantsona hivarinan’ny rano ihany koa ny fanariana tsy am-piheverana ireo menaka efa avy nampiasaina ireo.


Andao ary hojerentsika ireo dingana narahina tamin’ny famokarana biodiezely avy amin’ireo sisa-menaka ireo.


Ahoana ary ireo dingana natao nanatanterahina ity fikarohana ity ?


Nandritra ny fanatanterahana ity asa fikarohana ity dia dingana telo no narahina.Voalohany, fanangonana avy any ifotony ireo menaka azo avy amin’ny « cochon laqué ». Faharoa, ny fanodinana ireo menaka ho lasa biodiezely tany amin’ny laboratoara. Fahatelo farany, ny fandalinana siantifika ireo vokatra azo sy fampitahana azy amin’ny diezely.


Ny fidinana ifotony

Sary 1: Fidinana ifotony ho fakana ireo menaka. Mandritra ny fandrahoana dia mitera-menaka ny henakisoa, ary mitete eo ambanin'ny barikanandrahoana azy ny menaka. Iny menaka iny notatazana hanamboarana ny biodiezely.
Sary 1: Fidinana ifotony ho fakana ireo menaka. Mandritra ny fandrahoana dia mitera-menaka ny henakisoa, ary mitete eo ambanin'ny barikanandrahoana azy ny menaka. Iny menaka iny notatazana hanamboarana ny biodiezely.

Ny akora fototra nampiaisaina tamin’ity asa karoka ity dia ireo menaka azo avy amin’ny « cochon laqué », nalaina tao amin’ny mpanamboatra azy tao Toamasina, Madagasikara. Maro ireo dingana narahina mandritra ny fikarakarana ny henakisoa ka hatramin’ny fahazoana ilay menaka, toy ny:

- fanetehana (fikapana) azy manaraka ny lavany,

- ny fanisiana ireo fangaro maro samihafa toy ny sira, dipoavatra, tongolo gasy sns hanome tsiro azy,

- ny fandrahoana azy, izay tena miavaka tokoa satria barika no hanaovana izany,

- ary rehefa masaka ireo dia miraraka etsy ambanin’ilay barika fandrahoana azy ny menaka naterak’ilay hena (Sary 1), ka iny menaka iny no tatazana hanamboarana ny biodiezely.


Nandritra ny fidinana ifotony tamin’ny fakana ireo menaka sy nandritra ny fanadihadiana ireo mpanamboatra « cochon laqué » no nahafantarana fa menaka sahabo ho 2,25 litatra no azo avy amin’ny henakisoa 15 kilao.


Fanamboarana biodiezely tany amin’ny laboratoara


Ny teknika nampiasaina tao amin’ny laboatoaradia ny « transestérificaton ». Io dia dingana simika ampifangaroanaireo menaka azo avy amin’ny biby sy/na menaka azo amin’ny zavamaniryamin’ny alikaola, miaraka amin’ny soda (NaOH) izay « catalyseur[2] », mba ahazoana biodiezely sy « glycérol » (Sary 2) . Maro ireo andrana natao fa ny nahazoana vokatra tsara dia ireto fatra manaraka ireto : menaka 50 ml (mililitatra), alikaola 280 ml amin’ny 70% ary soda 5 grama.


Fandalinana siantifika ireo vokatra azo sy fampitahana azy amin’ny diezely


Nahazoana biodiezely 183 ml sy « glycérol » 47 ml ireo fangaro sy fatra ireo. Rehefa azo iretsy farany dia nentina nojerena tany amin’ny laboratoara hafa (Sary 3 etsy ambany). Ny « point d’éclair » (fahafahana mirehitra), ny « densité » (hakitroka) ary ny « viscosité » (hadity) no nohadihadiana tamin’izany, ary ireto manaraka ireto no valiny azo :

● Densité: 0.945

● Viscosité cinématique: 3.48 Cst,

● Viscosité dynamique: 3.29 Cpo,

● Point d’éclair: 31°C.


Sary 4: Fijerena ny “densité” an'ilay biodiezely.
Sary 3: Fijerena ny “densité” an'ilay biodiezely.

Ireto manaraka ireto kosa ny valin’ny fampitahana ny vokatra azo (biodiezely)

tamin’ny diezely :

Araka io fafana io dia ny « point d’éclair » azo dia ambany kokoa raha oharina amin’ny diezely, izany hoe mora mirehitra kokoa ny biodiezely azo. Ny biodiezely eto dia hita fa mavesatra noho ny diezely, izay tsy manakana azy tsy hatao lasantsy. Ny haditin’ny biodiezely dia ao anatin'ny fenitry ny lasantsy “diesel” ka mahatonga azy ho azo ampiasaina amin'ny fomba mitovy amin'ity iray ity.


Hamintinana azy ...


Ity voka-pikarohana ity dia mampiseho fa azo atao tsara ny mamokatra biodiezely avy amin’ny sisa-menaka nanamboarana“cochon laqué” . Izany famokarana angovo izany dia mampihena ny fiankinan-doha amin’ny solitany sy ny angovo fosily, izay efa mihalany sy mamoaka entona manimba ny tontolo iainana. Noho izany, ny fanodinana ireo menaka ireo ho angovo dia miaro ny fahasalamana sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Ilaina anefa ny fandalinana bebe kokoa sy ny fanaovanafanandramana amin’ny fampiasana ny “biodiesel” azo avy amin’ny menaka nanamboarana “cochon laqué” mba hanaporofoanany fahombiazan’ity vokatra ity.


[1] Préparation et Caractérisation Physico-Chimique d’un Biodiesel à Partir d’une Huile Végétale Dénommée Oils A. Mémoire de Master présentée par Mohamed Moussa, 2017. Université d'Antananarivo, Domaine : Sciences Et Technologies Mention : Procédés et Écologie Industrielle. Parcours : Physico-Chimie des Mélanges complexes.

[2] Zavatra izay mampitombo ny tahan'ny fihetsika simika kanefa tsy miaina fiovana simika maharitra.


Mikasika ny mpanoratra

I RABEMANANTSOA Vatsiniaina Yvette Virginie dia mpianatra ao amin’ny Ecole Supérieur Polytechnique d’Antananarivo, Filière Ingénierie Pétrolière. Nahazo ny mari-pahaizana Licence izy (parcours Génie Pétrolier), ary ankehitriny izy dia manomana Master 1 amin’ny lalam-piofanana Bioénergies et Énergie Nouvelle. Raha te hifandray aminy : virginierabemanantsoa[@]gmail.com


Momba ny Kintana Magazine


Hitanao ato ny lahatsoratra hafa ao amin'ny Kintana Magazine.


Aza misalasala manoratra amin'ny ikalabekintana@gmail.com hahafantaranao bebe kokoa mikasika ny Kintana Magazine. Araho kosa ity rohy ity raha manir hanoratra lahatsoratra ianao https://bit.ly/3rquwE4


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page