Ikala STEM Monthly Talk Series - Ed 5
- Ikala STEM
- Nov 24, 2020
- 2 min read
Tontosa soa aman-tsara tamin'ny 7 Oktobra 2020 lasa teo ny andiany fahadimy amin'ny Ikala STEM Monthly Talk Series.
Ny vehivavy siantifika sy ny fitadiavana asa
Izay no lohahevitry ny resadresaka tamin'ity andiany fahadimy ity, ary i Voahangy Tinah MARTIN sy i Arnaudine Françoise HERINARIVO no vahiny tamin'izany. Hitantsika etsy ambany ny momba azy ireo, ary ao amin'ny pejy Facebook [video] kosa ny famintinana fohifohy ny torohevitra avy amin'izy ireo.

Martin Voahangy Tinah, Data manager pour le Centre Régional pour les Océans Atlantique et Indien au sein du projet Seabed 2030, basé au sein du Lamont-Doherty Earth Observatory, Columbia University. Sortante de l'Institut Halieutique et des Sciences Marines (IH.SM) de l'Université de Toliara, elle a obtenu son DEA en Océanologie appliquée en 2011 et possède la classification Hydrographe Catégorie A à l'issue de la formation en cartographie des fonds marins (GEBCO Nippon Foundation Training) en 2016 à l'Université de New Hampshire. Son parcours professionnel a été jonché de challenges et d'obstacles, mais elle est convaincue que la persévérance et la passion sont les meilleures alliées pour réussir. La recherche d’emploi est en elle-même un parcours du combattant. Lorsqu'on est une femme évoluant dans les domaines STEMs, le challenge est double en raison des a priori et des pressions diverses. Il est important d'établir une stratégie et de ne pas négliger les compétences liées au domaine qui nous intéresse. L'attitude et la valeur que chacune de nous s'accorde jouent un rôle très important dans cette démarche.
HERINARIVO Arnaudine Françoise no anarako, ary Françoise no fiantso ahy. Nanaraka ny lalam-piofanana "Chimie, Génie de l'Eau et Génie de l'Environnement" teny amin'ny Faculté des Sciences, Université d'Antananarivo Ankatso aho. Tamin'ny taona 2016 no nahazoako ny mari-pahaizana Master en Génie de l'Eau et Génie de l'Environnement. Rehefa nitady asa aho, dia betsaka tamin'ireo orinasa nalehako no niteny fa tsy mandray vehivavy, fa lehilahy ihany hono. Tsy kivy aho, fa nitady foana, dia nahita. Ny nahagaga anefa, dia rehefa niasa amin'izay aho, dia niverina niantso ahy indray ireo orinasa nilaza fa tsy mandray vehivavy; dia angah hoy aho tsy lehilahy ihany no raisinareo? Aleo hoy izy miara-miasa amin'ny vehivavy fa ny vehivavy matotra. Izaho moa efa tsy afaka intsony fa efa niasa, dia tsy maharaka ny fotoanako. Eto aho, dia mampahery antsika vehivavy rehetra misehatra STEM, mba tsy ho kivy fa haharitra amin'ny fianarana izay ratovina, sy tsy ho kivy amin'ny fitadiavana asa fa isika vehivavy siantifika dia TSY VERY MANDEHA. Mahita asa foana isika na aiza na aiza fa aza mety ho hakiviana hoe, tsy mahita asa izany siantifika izany eto Madagasikara.
Comments