top of page

Ikala STEM Monthly Talk Series - Ed 6

Toro-hevitra ho an'ireo maniry hanohy Doctorat any Etazonia


indray no nifampizarana tamin'ny andiany faha-enina amin'ny Ikala STEM Monthly Talk Series izay notontosaina tamin'ny Sabotsy 7 Novambra lasa teo niaraka tamin'ny Ary Saina [Page Facebook].


I Dr. Ny Riavo Voarintsoa izay mpanorina ny Geological Society of Madagascar [Page Facebook] sy i Dr. Onja H. Razafindratsima izay mpandrindra ny Chapter Ikala STEM America no nizara ny traikefan'izy ireo tamin'izany. Hitantsika etsy ambany ny momba azy ireo, izay samy nandranto fianarana tao Etazoina.



Dr. Ny Riavo Voarintsoa, na Voary dia nanaraka ny lalam-piofanana “Sciences Naturelles” izay niompana tamin'ny taranja Haibolantany tao amin'ny Departemantan'ny Géologie (izay efa lasa Mention Sciences de la Terre et de l’Environnement amin'izao) ao amin'ny Domaine Sciences et Technologie ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nahazo ny diplaoma doctorat mikasika ny Haibolantany ("PhD en Géologie) tao amin’ny University of Georgia, USA izy ny taona 2017. Miompana betsaka amin'ny taranja Haibolan-tany sy ny fifandraisany amin'ny tontolo iainana ny fikarohana ataony. Ankehitriny izy dia manohy fikarohana ao amin’ny "Department of Earth and Environmental Sciences at the Katholieke Universiteit Leuven, Belgium", ary manomboka ny Janoary 2021 izy dia ho lasa mpampianatra mpikaroka ao amin'ny Department of Atmospheric Science ao amin'ny Oniversité-ny Houston, izay any Texas Etazonia.


Dr. Onja H. Razafindratsima dia nanaraka ny lalam-piofanana “Sciences Naturelles” tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo; ary nahazo ny diploma DEA tamin'ny "Biologie Animale" tamin'ny 2009. Taorian'izay izy dia nanohy nanao doctorat mikasika ny "Ecologie et Biologie de l'Evolution" tao amin’ny Oniversite Rice tany Texas, Etazonia. Ankehitriny izy dia manao fikarohana sy mampianatra any Dakota Atsimo, Etazonia. Manomboka ny Janoary 2021 izy dia ho mpikaroka mpampianatra ao amin'ny Oniversitén'i California any Berkeley, mitantana laboratoire misehatra amin'ny fikarohana momba ny "Ecologie et Conservation Tropicale".


  • Facebook
  • Twitter
  • RSS
bottom of page